1 Korintiana 12–13
Mampitaha ny Fiangonana amin’ny vatan’i Kristy i Paoly
Mampianatra momba ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, ny firaisan-kina ary ny fiantrana
Tanàna lehibe sy be atao i Korinto. Maro ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy no nipetraka tany. Saingy avy amin’ny toerana samihafa avokoa izy rehetra ary tena samy hafa mihitsy. Te hanampy azy ireo ho iray i Paoly sy hifankahita izay tsara amin’ny tsirairay. Noho izany dia nanoratra taratasy ho azy ireo izy.
1 Korintiana 1:11–13
Nilaza tamin’ny Olomasina i Paoly tao amin’ny taratasiny fa manana fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’ Andriamanitra izy rehetra. Nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana ny olona sasany. Ny hafa dia nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanaovana fahagagana. Hendry ny sasany, ary afaka nanasitrana ny hafa ny sasany. Afaka miteny amin’ny fiteny hafa ny olona sasany. Nanana fanomezam-pahasoavana samihafa avokoa ny Olomasina rehetra, saingy avy amin’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
1 Korintiana 12:3–11, 29–30
Nampianatra i Paoly fa na dia tsy nitovy aza ny Olomasina dia nampitambatra azy ireo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa. Rehefa nanapa-kevitra ny hanaraka ny fampianaran’i Jesoa izy ireo sy hatao batisa ary hiditra ao amin’ny Fiangonany dia lasa vondrona iray izy ireo, niray hina tao amin’i Jesoa Kristy.
1 Korintiana 12:27
Nilaza i Paoly fa ny Fiangonana dia toy ny tena, miaraka amin’ny loha, sandry, ranjo sy tongotra. Manao zavatra samy hafa ireo ampahany tsirairay amin’ny vatana. Tsy tokony hahatsapa ho ratsy ny sofina satria tsy mitovy amin’ny maso. Ary tsy afaka miteny amin’ny tongotra ny loha hoe: ”Tsy mila anareo aho.” Manan-danja ny ampahany tsirairay ary miara-miasa avokoa izy rehetra.
1 Korintiana 12:12–14
Nantsoin’i Paoly hoe “ny tenan’i Kristy” ireo Olomasina tao Korinto. Tiany izy ireo hiara-hiasa tahaka ireo faritra samihafa amin’ny vatana, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana samihafa ananan’izy ireo mba hifanampy sy hifanasoa.
1 Korintiana 12:15–27
Mba hanaovana izany dia nila karazana fitiavana tena miavaka ny vahoaka, izay nantsoina hoe fiantrana. Izany no fitiavana ananan’i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra. Nilaza i Paoly fa ny fananana fiantrana dia midika hoe manam-paharetana amin’ny hafa, na dia ratsy fanahy aza izy ireo. Izany dia midika hoe tsy maneho tsy fahalalam-pomba na fitiavan-tena, na fialonana. Izany dia midika hoe tia ny fahamarinana sy manana fanantenana.
1 Korintiana 13:1–7; Môrônia 7:47
Nilaza tamin’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly fa ny fiantrana dia maharitra mandrakizay. Na inona na inona fanomezam-pahasoavana hafa mety ananantsika dia mila manana fiantrana avokoa isika rehetra. Afaka manana fiantrana avokoa isika raha mangataka izany amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fontsika manontolo ary miezaka ny ho mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy.
1 Korintiana 13:1–3, 8; Môrônia 7:48