Tantara ao amin’ny soratra masina
Miseho amin’i Saoly i Jesoa—Fanasana mba hibebaka sy hanaraka ny Tompo


Asan’ny Apostoly 9:1–31

I Jesoa miseho amin’i Saoly

Fanasana mba hibebaka sy hanaraka ny Tompo

I Saoly sy ireo mpitarika hafa mandeha mankany Damaskosy.

Fariseo i Saoly—mpitarika Jiosy izay nahafantatra tsara ny soratra masina. Saingy tsy nino i Saoly fa i Jesoa no Mpamonjy. Matetika izy no nampiditra am-ponja ireo mpanara-dia an’i Jesoa. Indray andro dia nandeha tany amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Damaskosy i Saoly mba hisambotra ny sasany tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa ary hitondra azy ireo any Jerosalema mba hofaizina.

Asan’ny Apostoly 9:1–2; 22:4–5; 26:5

I Saoly mandre ny feon’i Jesoa.

Rehefa iny nandeha iny i Saoly dia nisy hazavana nidina tampoka teo aminy. Nazava noho ny masoandro izany. Nianjera tamin’ny tany i Saoly. Nandre feo nilaza izy hoe: “Saoly, Saoly”. Nanontany an’i Saoly ilay feo avy eo ny antony nahatonga azy niady tamin’i Jesoa sy nandratra ireo mpianany.

Asan’ny Apostoly 9:3–4; 26:13–14

I Saoly manontany an’i Jesoa ny amin’izay tokony hataony.

Nanontany i Saoly hoe iza ilay niteny. Hoy ilay feo: “Izaho no Jesoa”. Natahotra no sady taitra i Saoly. Nanontany an’i Jesoa ny tokony hataony izy. Hoy i Jesoa tamin’i Saoly: “Mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna”. Ao no hianarany ny zavatra tokony hataony manaraka.

Asan’ny Apostoly 9:5–6

Notarihana ho any Damaskosy i Saoly.

Nankatò ka nitsangana i Saoly. Saingy jamba izy tamin’izay. Tsy nahita na inona na inona izy. Nitantana azy ho any amin’ny tanànan’i Damaskosy ireo olona izay niara-nandeha taminy. Nandritra ny telo andro dia tsy nihinana na nisotro na inona na inona i Saoly.

Asan’ny Apostoly 9:8–9

I Jesoa mamangy an’i Ananiasy.

Nisy iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa izay nipetraka tany Damaskosy dia i Ananiasy izany. Nitsidika an’i Ananiasy tao anatin’ny fahitana iray i Jesoa ary nilaza taminy mba handeha ka hanampy an’i Saoly.

Asan’ny Apostoly 9:10–12

I Ananiasy mamaly an’i Jesoa.

Sahiran-tsaina anefa i Ananiasy. Nandre momba an’i Saoly izy. Fantany fa tena niady mafy tamin’ireo mpianatr’i Jesoa i Saoly.

Asan’ny Apostoly 9:13–14

I Jesoa mangataka an’i Ananiasy mba hanampy an’i Saoly.

Nangataka an’i Ananiasy i Jesoa mba hanampy an’i Saoly na dia izany aza. Nilaza i Jesoa fa nisafidy an’i Saoly hitondra ny filazantsarany amin’ny olona maro izay tsy Jiosy sy tsy nahafantatra momba Azy Izy.

Asan’ny Apostoly 9:15–16

I Ananiasy manome tsodrano an’i Saoly.

Nankatò an’i Jesoa i Ananiasy. Nahita an’i Saoly izy ary nanome tsodrano azy. Niantso azy hoe “Ry Saoly rahalahy” i Ananiasy.

Asan’ny Apostoly 9:17

I Saoly mahita indray.

Nilaza i Ananiasy fa naniraka azy i Jesoa mba hahafahan’i Saoly ho sitrana sy ho heniky ny Fanahy Masina. Teo no ho eo ihany dia nahita indray i Saoly.

Asan’ny Apostoly 9:17–18

I Saoly mampianatra ny olona momba ny filazantsara.

Natao batisa i Saoly. Avy eo dia nampianatra ny olona rehetra tao amin’ilay tanàna momba an’i Jesoa Kristy izy. Talanjona ny olona fa tena niova i Saoly. Nantsoina hoe Paoly i Saoly nandritra ny androm-piainany sisa. Nampianatra ny olona rehetra Izy, ny Jiosy sy ny maro hafa mba hino an’i Jesoa. Lasa Apôstôlin’i Jesoa Kristy i Paoly.

Asan’ny Apostoly 9:18–22, 29–31; 13:9