Lioka 10:25–37
Fanoharana momba ilay Samaritana Tsara Fanahy
Tia ny namantsika tahaka ny tenantsika
Nisy mpahay lalàna iray nanontany an’i Jesoa ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Nanontanian’i Jesoa azy izay voasoratra ao amin’ny soratra masina. Namaly ilay mpahay lalàna fa ny soratra masina dia milaza hoe mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny namantsika. Nilaza i Jesoa fa marina ny navaliny. Dia nanontany ilay mpahay lalàna hoe: “Iza ary no namako?” Namaly tamin’ny alalan’ny fanoharana na tantara iray i Jesoa.
Lioka 10:25–29
Ao amin’ilay fanoharana dia nisy lehilahy Jiosy iray nandeha teny amin’ny lalana avy any Jerosalema ho any Jeriko. Tampoka teo dia nisy jiolahy tonga. Nendahin’izy ireo ny lambany, sady nokapohiny mafy izy, dia nilaozany teo.
Lioka 10:30
Vetivety dia nisy mpisorona iray nidina ilay lalana. Ny mpisorona dia olona iray izay niasa tao amin’ny tempoly. Hitany teo amin’ny lalana ilay lehilahy saingy nandalo fotsiny izy.
Lioka 10:31
Avy eo dia nisy lehilahy iray hafa izay niasa tao amin’ny tempoly ihany koa, izay nantsoina hoe Levita. Hitany ilay lehilahy naratra, saingy nandalo fotsiny ihany koa izy.
Lioka 10:32
Avy eo dia nisy Samaritana iray nandalo teo. Hitany fa tena naratra mafy ilay lehilahy teo amin’ny lalana. Mazàna ny Samaritana sy ny Jiosy dia tsy nifankahazo tsara. Saingy te hanampy ilay lehilahy ihany io Samaritana io.
Lioka 10:33
Nokarakarain’ilay Samaritana ilay lehilahy ka nasiany diloilo sy divay teo amin’ny ratran’ilay lehilahy. Napetrany teo amin’ny borikiny ilay lehilahy.
Lioka 10:34
Avy eo dia nentin’ilay Samaritana tany amin’ny tranom-bahiny iray ilay lehilahy, izay toerana nahafahany naka aina sy nihatsara kokoa. Talohan’ny nandehanan’ilay Samaritana ny ampitson’iny dia nomeny vola ilay tompon’ny tranom-bahiny dia hoy izy: “Tsaboy izy”. Nilaza ilay Samaritana fa hiverina izy afaka andro vitsivitsy hitondra vola bebe kokoa.
Lioka 10:34–35
Tamin’ny fiafaran’ilay tantara dia nametraka fanontaniana tamin’ilay mpahay lalàna i Jesoa. Iza no naman’ilay lehilahy naratra? Ilay mpisorona ve, sa ilay Levita, sa ilay Samaritana? Nilaza ilay mpahay lalàna fa ilay naneho fitiavana tamin’ilay lehilahy, dia ilay Samaritana. Nilaza tamin’ilay mpahay lalàna i Jesoa mba handeha ka hanao tahaka ilay Samaritana.
Lioka 10:36–37