Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa mampitsahatra ny tafio-drivotra—Fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!


Matio 8:23–27; Marka 4:36–41

I Jesoa mampitsahatra ny tafio-drivotra

Fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!

I Jesoa sy ireo mpianany ao anaty sambokely.

Indray andro dia niondrana an-tsambokely tany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa sy ireo mpianany. Nanomboka nitsoka mafy tokoa ny rivotra. Nanomboka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. Na izany aza dia natory tamim-pilaminana i Jesoa.

Matio 8:23–24

Ireo mpianatra mamoha an’i Jesoa.

Natahotra ireo mpianatra. Nofohazin’izy ireo i Jesoa. “Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!”, hoy izy ireo niantsoantso. Nihevitra izy ireo fa ho fefika ao anaty ranomasina.

Matio 8:25

I Jesoa mandidy ny rano mba ho tony.

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?” Hoy Jesoa nanontany. Nilaza tamin’ireo mpianatra Izy fa mila manana finoana misimisy kokoa izy ireo. Dia nitsangana Izy ka noteneniny mafy ny rivotra sy onja hoe: “Mangina, mitsahara”.

Matio 8:26; Marka 4:39

Nanontany tena ireo mpianatra hoe ahoana no nahafahan’i Jesoa nampitony ilay tafio-drivotra.

Avy hatrany dia nitsahatra ny rivotra, ary tony ny ranomasina. Voaro i Jesoa sy ireo mpianatra. Talanjona ireo mpianatr’i Jesoa. Nanontany tena izy ireo hoe karazan’olona manao ahoana re io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!

Matio 8:26–27