Matio 4:1–10
I Satana maka fanahy an’i Jesoa
Ohatra iray amin’ny fandresena ny fakam-panahy
Taorian’ny batisany dia nandeha tany an’efitra i Jesoa mba hiaraka amin’ Andriamanitra. Tsy nihinan-kanina nandritra ny 40 andro izy. Nifady hanina sy nivavaka izy mba hiomanana amin’ny asa nanirahana Azy.
Matio 4:1–2
Noana i Jesoa. Tonga i Satana ka naka fanahy Azy. Nilaza izy fa raha Zanak’ Andriamanitra i Jesoa dia afaka mamadika vato ho mofo. Tsy nanao izany i Jesoa. Nanambara soratra masina i Jesoa nentiny nilaza fa nivelona tamin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra Izy, fa tsy tamin’ny mofo fotsiny.
Matio 4:2–4
Avy eo dia nentin’ny Fanahy Masina teny amin’ny mandan’ny tempoly i Jesoa. Naka fanahy an’i Jesoa i Satana mba hitsambinkina avy eny. Nilaza izy fa raha zanak’ Andriamanitra i Jesoa, dia tsy hamela azy haratra ireo anjely. Tsy nitsambikina anefa i Jesoa. Nilaza tamin’i Satana izy fa ny soratra masina dia manambara fa tsy tokony haka fanahy an’ Andriamanitra isika.
Matio 4:5–7
Manaraka izay dia nentin’ny Fanahy Masina teny amin’ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa. Avy teny dia afaka nahita ireo fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao i Jesoa. Tonga i Satana ary nilaza fa homeny an’i Jesoa ireo fanjakana rehetra ireo raha hiankohoka eo anatrehany Izy.
Matio 4:8–10
Niteny tamin’i Satana i Jesoa fa ny soratra masina dia milaza fa Andriamanitra ihany no tokony hiankohofana. Nasain’i Jesoa nandeha i Satana. Nandeha nankany Galilia i Jesoa mba hampianatra ny filazantsarany. Feno ny herin’ny Fanahy Masina izy.
Lioka 4:13–14