Tantara ao amin’ny soratra masina
I Marta sy i Maria—Misafidy ny zavatra manan-danja indrindra


Lioka 10:38–42

I Marta sy i Maria

Misafidy ny zavatra manan-danja indrindra

I Marta mandray an’i Jesoa sy ireo mpianany.

Nipetra tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Betania i Marta. Rehefa nandeha tao Betania i Jesoa sy ireo mpianany dia noraisin’i Marta tao an-tranony izy ireo.

Lioka 10:38

I Marta manompo ny vahininy.

Rehefa nampianatra i Jesoa dia tena sahirana nanompo ireo vahininy i Marta. Nipetraka teo akaikin’i Jesoa i Maria rahavaviny ary nihaino ny teniny.

Lioka 10:39–40

Marta miresaka amin’i Jesoa.

Tsy faly i Marta fa izy irery no nanao ny asa rehetra. Nieritreritra izy fa tokony hanampy i Maria fa tsy hihaino an’i Jesoa fotsiny. Nangataka an’i Jesoa i Marta mba hilaza amin’i Maria mba hanampy azy.

Lioka 10:40

I Jesoa mamaly an’i Marta.

Hitan’i Jesoa fa tena niasa mafy i Marta. Nilaza taminy Izy fa tsikariny ho niahiahy ny amin’ny zavatra maro izy.

Lioka 10:41

Jesoa mampianatra an’i Marta sy i Maria.

Nanazava i Jesoa fa misy ny zavatra sasany izay manan-danja kokoa noho ny hafa. I Maria, hoy Izy, dia nanao safidy tsara mba hihaino ny teniny. Tsy hoesorina aminy na oviana na oviana ireo zavatra nianarany avy amin’i Jesoa.

Lioka 10:42