Tantara ao amin’ny soratra masina
Tabita, vehivavy “mpanao asa soa be” iray—Nitsangana tamin’ny maty noho ny herin’i Jesoa Kristy


Asan’ny Apostoly 9:36–42

Tabita, vehivavy “mpanao asa soa be” iray

Nitsangana tamin’ny maty noho ny herin’i Jesoa Kristy

I Tabita manenona akanjo.

Mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy i Tabita. Nipetraka tao amin’ny tanana iray akaikin’ny ranomasina izy, izay antsoina hoe Jopa. Tiany ny nanompo sy nanampy ireo olona mahantra.

Asan’ny Apostoly 9:36

I Tabita manome akanjo an’ireo olona sahirana.

Nanamboatra akanjo i Tabita ary nomeny ireo vehivavy sahirana izany. Tian’izy ireo i Tabita.

Asan’ny Apostoly 9:39

I Tabita marary

Indray andro dia narary mafy i Tabita. Narary mafy ka dia maty izy.

Asan’ny Apostoly 9:37

Nisy lehilahy roa izay maika ny hiresaka tamin’i Petera.

Nalahelo mafy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa tao Jopa. Fantatr’izy ireo fa i Petera, izay iray tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa, dia tao amin’ny tanana iray tsy lavitra teo. Nandefa lehilahy roa izy ireo mba hangataka an’i Petera hihazakazaka ka hanatona azy ireo.

Asan’ny Apostoly 9:38

Ireo vahoaka  mitarika an’i Petera ho any amin’i Tabita.

Tonga teo amin’ny toerana nisy ny vatan’i Tabita i Petera. Ny sasany tamin’ireo vehivavy nampian’i Tabita dia nanatrika teo. Nasehon’izy ireo an’i Petera ireo akanjo nataony ho azy ireo.

Asan’ny Apostoly 9:39

I Petera mandohalika sy mivavaka eo eo akaikin’i Tabita.

Nangataka ny olona rehetra hivoaka ilay efitrano i Petera. Nandohalika sy nivavaka izy.

Asan’ny Apostoly 9:40

I Tabita nitsagana tamin’ny maty.

Rehefa avy nivavaka i Petera dia nilaza hoe: “Ry Tabita, mitsangàna”. Nosokafany ny masony ary nitsangana izy. Nampian’i Petera i Tabita mba hitsangana. Velona indray izy! Niantso ireo namany i Petera mba hiditra sy hijery azy. Talanjona izy ireo! Fantatr’izy ireo fa tamin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy no nananganana azy tamin’ny maty. Nitombo ny isan’ireo olona nino Azy.

Asan’ny Apostoly 9:40–42