Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa mamahana olona an’arivony—Izy no Mofon’aina


Matio 14:13–21; Jaona 6

I Jesoa mamahana olona an’arivony

Izy no Mofon’aina

I Jesoa mitoetra irery.

Fantatr’i Jesoa fa novonoina i Jaona Mpanao Batisa. Nandeha tany amin’ny toerana lavitry ny tanàna izy mba hahafahany manana fotoana hitokanana irery.

Matio 14:13

I Jesoa Kristy miresaka amina andian’olona.

Rehefa nandre ny toerana nalehan’i Jesoa ny olona dia nanaraka Azy. Nahita azy ireo i Jesoa, ary nahatsapa fitiavana azy ireo Izy. Nandany ny andro manontolo izy nitsodrano sy nanasitrana azy ireo.

Matio 14:13–14

I Jesoa mangataka ireo Apôstôly mba hanome zavatra hohanina ny vahoaka.

Noana ny olona rehefa nanomboka hariva ny andro. Nihevitra ireo Apôstôly fa tokony handefa ny olona hody any an-tanàna i Jesoa mba hijery hanina. Saingy tian’i Jesoa hijanona izy ireo. Nangataka ireo Apôstôly izy mba hanome zavatra hohanina ny vahoaka.

Matio 14:15–16

I Andrea mahita zazalahy kely manana sakafo kely.

Nahita zazalahy iray izay nanana mofo vary ordea dimy sy hazandrano kely roa ny Apôstôly Andrea mba homena ny vahoaka. Saingy nisy lehilahy tokony ho 5.000 teo, miampy ny vehivavy sy ny ankizy, izay mila mihinana. Ahoana no hahafahan’izy ireo mamahana olona marobe amin’ny sakafo kely toy izany?

Matio 14:17, 21; Jaona 6:8–10

I Jesoa mivavaka sy mitsodrano ny sakafo.

Nangataka ireo Apôstôly i Jesoa mba hitondra ilay sakafo ho eo Aminy. Nasainy nipetraka teo amin’ny ahitra ny olona. Avy eo dia nanao vavaka i Jesoa mba hisaorana ny Ray any An-danitra noho ny mofo sy ny hazandrano, ary ny mba hitahiana izany. Avy eo dia novakiny ny mofo sy ny hazandrano.

Matio 14:18–19; Jaona 6:10–11

Ireo Apôstôly mizara sakafo amin’ny olona.

Nangataka ireo Apôstôliny i Jesoa mba hanome ny mofo sy hazandrano ny vahoaka. Nisakafo daholo, ary voky avokoa ny rehetra. Rehefa avy nihinana izy ireo dia mbola nisy ambin-tsakafo nahafeno harona 12!

Matio 14:20; Jaona 6:11–13

Niverina nitady sakafo misimisy kokoa ny vahoaka.

Ny ampitson’io dia niverina ny olona ary nahita an’i Jesoa indray. Saingy fantatr’i Jesoa fa ny maro tamin’izy ireo dia nanaraka Azy fotsiny ihany noho Izy nanome sakafo azy. Nampahatsiahy azy ireo i Jesoa fa ny sakafo dia tsy maharitra afa-tsy fotoana fohy monja. Nanana zavatra tsaratsara kokoa homena azy ireo Izy.

Jaona 6:14, 24–27

Mampianatra i Jesoa fa Izy no Mofon’aina.

Hoy Jesoa taminy: “Izaho no mofon’aina”. Manome antsika ny fiainana eto an-tany ny mofo. Saingy afaka manome antsika ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Jaona 6:35–58

Tezitra amin’ny zavatra ampianarin’i Jesoa ny olona.

Maro ireo olona no tsy tia ny zavatra nezahin’i Jesoa nampianarina. Niala izy ireo ary nanapa-kevitra ny tsy hanaraka an’i Jesoa intsony.

Jaona 6:60, 66

I Petera milaza amin’i Jesoa fa tsy handao Azy ireo Apôstôly.

Dia hoy Jesoa tamin’ny Apôstôliny: “Ianareo koa va mba te-hiala?” Petera namaly Azy hoe: “Tompo o, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”. Tsy niala ireo Apôstôly. Fantatr’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sady Zanak’ Andriamanitra.

Jaona 6:67–69