Asan’ny Apostoly 10
Mandray ny Fanahy Masina i Kornelio sy ny namany
Natao ho an’ny olon-drehetra ny filazantsara.
Mpitarika ny miaramila romana i Kornelio. Nino an’ Andriamanitra izy sy ny fianakaviany, saingy tsy Jiosy izy ireo ary tsy nahafantatra momba an’i Jesoa Kristy. Nizara ny zavatra nananany tamin’ny mahantra i Kornelio ary nivavaka matetika tamin’ Andriamanitra.
Asan’ny Apostoly 10:1–2
Indray tolakandro dia nisy anjely iray tonga tamin’i Kornelio raha nifady hanina sy nivavaka izy. Hoy ilay anjely: “Ry Kornelio, efa re ny fivavakao”. Nahita ny hatsaram-panahiny Andriamanitra. Niteny tamin’i Kornelio ilay anjely mba hitady an’i Petera Apôstôly, izay nitoetra tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Jopa. Hilaza amin’i Kornelio izay tokony hataony i Petera.
Asan’ny Apostoly 10:3–6, 30–32
Nolazain’i Kornelio tamin’ireo mpanompony ny zavatra nolazain’ilay anjely. Nalefany tany Jopa izy ireo mba hangataka an’i Petera hitsidika azy.
Asan’ny Apostoly 10:7–8
Teo an-tafon’ilay trano tao Jopa i Petera ary nivavaka. Noana izy ary iny efa saika handeha hisakafo iny indrindra no nahita fahitana.
Asan’ny Apostoly 10:9–10
Nahita lamba lehibe nidina avy tany an-danitra i Petera, izay feno karazam-biby sy vorona. Nandre feo i Petera izay nilaza fa tokony hihinana ireo biby ireo izy. Saingy biby tsy azon’ny Jiosy hohanina ireo biby ireo. Nilaza ny lalàn’i Mosesy fa tsy madio izany. Tsy te hihinana azy ireo i Petera.
Asan’ny Apostoly 10:11–14
Nilaza ilay feo fa izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia tsy tokony ho antsoina hoe maloto. Niverina intelo ilay fahitana. Nanontany tena i Petera momba ny dikan’izany.
Asan’ny Apostoly 10:15–17
Tamin’izay fotoana izay dia nilaza tamin’i Petera ny Fanahy fa nisy lehilahy telo nitady azy. “Ary mandehana miaraka aminy” hoy ny Fanahy, “fa Izaho no naniraka azy”.
Asan’ny Apostoly 10:16–21
Mpanompon’i Kornelio ireo lehilahy telo ireo. Nilaza tamin’i Petera momba ilay anjely hitan’i Kornelio izy ireo ary nanontany raha toa ka afaka mampianatra azy i Petera. Mazàna ny Jiosy dia tsy niditra tao an-tranon’olona izay tsy Jiosy, ary tsy nampianatra azy ireo ny filazantsara ireo Apôstôly. Saingy rehefa nahatsiaro ny fahitana hitany i Petera dia nanapa-kevitra ny handeha.
Asan’ny Apostoly 10:22, 28
Rehefa tonga i Petera dia niandry azy niaraka tamin’ny namana sy fianakaviana maro i Kornelio. Nilaza tamin’i Petera izy fa vonona ny hihaino izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy mba holazainy azy ireo izy ireo.
Asan’ny Apostoly 10:26, 33
Ankehitriny dia takatr’i Petera ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra azy tao anatin’ilay fahitana. Nilaza tamin’ny olon-drehetra i Petera fa Andriamanitra dia tsy tia firenena iray na vondron’olona iray mihoatra ny iray hafa. Manaiky izay rehetra manara-dia Azy Andriamanitra, sy izay manao ny tsara. Nampianatra an’i Kornelio sy ny fianakaviany ary ny namany momba an’i Jesoa Kristy i Petera.
Asan’ny Apostoly 10:34–43
Tonga tamin’ny olona rehetra izay nihaino ny Fanahy Masina rehefa nampianatra izy. Nanasa azy ireo mba hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy i Petera. Nianatra i Petera fa ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia tonga soa ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Notoriana tamin’ny olon-drehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Asan’ny Apostoly 10:44–48