Matio 18:21–34
Ny fanoharana momba ilay mpanompo izay tsy te hamela heloka
Mampianatra momba ny famelan-keloka i Jesoa
Indray andro dia nametraka fanontaniana iray manan-danja tamin’i Jesoa i Petera. Tiany ho fantatra hoe impiry izy no tokony hamela heloka ny olona rehefa manota izy ireo. “Hatramin’ny impito va?” Hoy i Petera nanontany. Namaly ny fanontanian’i Petera tamin’ny alalan’ny fitantarana tantara na fanoharana iray i Jesoa.
Matio 18:15–21
Ao anatin’ilay tantara dia nisy mpanjaka iray izay nanana mpanompo maro. Nananan’ilay mpanjaka talenta iray alina ny iray tamin’ireo mpanompony. Vola be izany!
Matio 18:23–24
Tsy ho afaka nandoa ilay vola tamin’ny ny mpanjaka mihitsy ilay mpanompo. Nilaza ilay mpanjaka fa hamidiny ilay mpanompo sy ny fianakaviany mba hanefana ilay trosa.
Matio 18:25
Rehefa nahare izany ilay mpanompo dia nandohalika izy. Nitalaho tamin’ny mpanjaka izy mba hanome azy fotoana misimisy kokoa. “Omeo andro aho”, hoy izy, “fa haloako ny anao rehetra”.
Matio 18:26
Nanana famindram-po ho an’ilay mpanompo ilay mpanjaka. Nanapa-kevitra ny hamela azy izy. Tsy voatery hamerina ilay vola ilay mpanompo. Afaka nandeha malalaka izy!
Matio 18:27
Dia nandeha ilay mpanompo ary nahita lehilahy iray izay nananany vola kely. Noraisiny ilay lehilahy ary hoy izy hoe: “Aloavy izay trosako aminao”.
Matthew 18:28
Nandohalika ilay lehilahy. “Omeo andro aho”, hoy izy, “fa haloako ny anao rehetra”. Saingy tsy namela azy ilay mpanompo. Nalefany tany am-ponja izy.
Matio 18:29–30
Rehefa fantatry ny mpanjaka ny zava-nitranga dia nangataka ny hahita ilay mpanompo izy. Nampahatsiahy ilay mpanompony ny mpanjaka fa navela tamin’ny trosa be izy. Nilaza tamin’ilay mpanompony izy fa tokony ho navelany ihany koa ilay lehilahy izay nananany vola.
Matio 18:31–33
Isika rehetra dia samy manana trosa izay tsy ho voaloantsika samirery na oviana na oviana. Nohazavain’i Jesoa tamin’i Petera fa mamela antsika Andriamanitra, noho izany dia tokony hamela ny hafa koa isika. Ary tsy tokony hijanona amin’ny impito isika fa tokony ho vonona foana ny hamela heloka.
Matio 18:22, 34–35; Jereo koa ny Matio 6:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–10