Matio 3
Natao batisa i Jesoa
Maneho ohatra amin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra
Niantso an’i Jaona Andriamanitra mba hanampy ny olona hiomana amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Nampianatra ny olona hibebaka sy hatao batisa i Jaona. Nantsoin’ny olona hoe Jaona Mpanao Batisa izy.
Matio 3:1–12
Mpampianatra mahay i Jaona. Maro ny olona tonga mba hihaino azy ary hatao batisa. Indray andro dia tonga i Jesoa mba hatao batisa.
Matio 3:5, 13
Fantatr’i Jaona fa nankatò an’ Andriamanitra foana i Jesoa. Tsy nila nibebaka Izy. Tsy nieritreritra i Jaona hoe tokony hanao batisa an’i Jesoa izy. Nieritreritra i Jaona fa tokony hanao batisa azy i Jesoa!
Matio 3:14
Nilaza i Jesoa fa nila natao batisa ihany koa Izy. Te hankatò ny didin’ny Rainy rehetra Izy. Te haneho ohatra ho antsika ihany koa Izy. Nanao batisa Azy i Jaona.
Matio 3:13–15; 2 Nefia 31:5–7
Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Jesoa dia nidina teo Aminy toy ny voromailala ny Fanahy Masina. Ary niteny avy tany an-danitra ny Ray any An-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako Malalako”. Tena faly tamin’i Jesoa ny Ray any An-danitra.
Matio 3:16–17