Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa no Mpiandry Tsara—“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary fantatro izy ireo”


Jaona 10:1–18

I Jesoa no Mpiandry Tsara

“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary fantatro izy ireo”

I Jesoa miresaka amin’ny olona tao Jerosalema.

Nilaza tamin’ny olona tao Jerosalema i Jesoa fa toy ny mpiandry ondry tsara Izy. Ny mpianany, na ny mpanara-dia Azy dia tahaka ny ondriny. Tia ny ondriny ilay mpiandry tsara . Fantany tsirairay ny anaran’izy ireo.

Jaona 10:3, 14; jereo koa ny Helamàna 15:13

Miantso ny ondriny ilay mpiandry ondry.

Fantatry ny ondry ny feon’ilay mpiandry tsara. Rehefa miantso azy ireo izy dia mihaino sy mankatò izy ireo.

Jaona 10:4, 27

Mitarika ny ondriny ilay mpiandry ondry.

Mikarakara ny ondriny ilay mpiandry tsara. Mitarika azy ireo ho any amin’ny ahi-maitso izy, tahaka ny hitarihan’i Jesoa Kristy antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Jaona 10:9–10, 28

Olona mpikarama izay mandao ny ondry ary mitsaoka mandositra ny loza.

Rehefa misy olon-kafa voakarama hikarakara ny ondry dia tsy manaraka azy izy ireo satria tsy mahafantatra ny feony. Rehefa tonga ny loza dia mitsoaka ilay olona voakarama. Tsy miraharaha ny ondry tahaka ny ataon’ilay mpiandry ondry tsara izy.

Jaona 10:5, 12–13

Miaro ny ondriny ilay mpiandry ondry.

Tsy mitsoaka ilay mpiandry ondry tsara rehefa misy loza. Mijanona hiaro ny ondriny izy. Vonona mihitsy aza izy hanolotra ny ainy ho azy ireo, tahaka ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny ainy ho antsika mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay.

Jaona 10:11, 17–18

I Jesoa manazava fa hamangy ireo ondry hafa any Amerika Izy.

Nilaza tamin’ny vahoaka tao Jerosalema i Jesoa fa nanana ondry hafa izay monina any amin’ny toeran-kafa koa Izy. Nilaza i Jesoa fa hamangy azy ireo koa Izy, ary handre ny fampianarany izy ireo. Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny fitsidihan’i Jesoa ny sasany amin’ireo ondriny hafa tao Amerika.

Jaona 10:16; 3 Nefia 15:11–24