Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa mampianatra amin’ny alalan’ny Toriteny teo An-tendrombohitra—Manampy antsika ho lasa mitovy kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra


Matio 5–7

I Jesoa mampianatra amin’ny alalan’ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Manampy antsika ho lasa mitovy kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra

I Jesoa Kristy mampianatra eo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia

Niakatra teo an-tendrombohitra eo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa sy ireo mpianany. Tao i Jesoa no nampianatra azy ireo ny fomba ahafahantsika ho sambatra sy ho lasa mitovy kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra.

Matio 5:1–2

I Jesoa mampianatra mikasika ny fomba hihavanana amin’ny hafa.

Nampianatra i Jesoa fa voatahy sy sambatra ny olona rehefa manetry tena, sy madio am-po ary miezaka manao ny tsara. Ho voavela heloka ny olona izay mamela heloka ny hafa. Ny olona mampihavana no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.

Matio 5:3–9

Tokony ho fahazavan’izao tontolo izao isika.

Nilaza i Jesoa fa ny mpianany dia fahazavan’izao tontolo izao—toy ny tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, izay hitan’ny rehetra. Tsy tokony hanafina ny fahazavantsika isika.

Matio 5:14

Ho toy ny fahazavana ho an’ny hafa ny asa soa ataontsika.

Rehefa manaraka an’i Jesoa isika dia toy ny jiro izay manome hazavana ho an’ny olona rehetra ao anatin’ny efitrano. Ireo asa soa ataontsika dia afaka manampy ny olona hino ny Ray any An-danitra.

Matio 5:15–16

I Jesoa mampianatra ny tokony hitiavantsika ny olon-drehetra.

Nilaza i Jesoa fa tokony ho tia ny olon-drehetra isika—eny fa na ireo olona izay tsy tia antsika aza. Tokony hivavaka ho azy ireo isika. Nampianatra i Jesoa fa tokony hiezaka ny hitovy amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Nampianatra izy fa rehefa manampy olona isika dia tsy voatery hilaza amin’ny olona rehetra ny zavatra nataontsika. Mahita ireo zavatra tsara ataontsika Andriamanitra, ary hitahy antsika Izy.

Matio 5:38–48; Matio 6:1–4

Mila mivavaka amin’ny fo isika.

Rehefa mivavaka isika dia tsy tokony hanahy ny amin’izay eritreretin’ny olona momba antsika. Tsy tokony hilaza teny mitovy foana isika raha ohatra ka tsy tena eritreritsika ilay izy. Tokony hiteny avy amin’ny fontsika isika. Maheno ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra ary mahafantatra izay ilaintsika. Hihaino Izy, na dia tsy misy olon-kafa afaka mandre antsika aza.

Matio 6:5–8

Tokony hitondra ny hafa tahaka ny fomba tiantsika hitondrana antsika isika.

Nampianatra i Jesoa fa tsy tokony hihevi-tena fa tsara kokoa noho ny olona hafa isika. Tokony hotsaroantsika fa manana fanamby hatrehina avokoa isika rehetra. Tokony hieritreritra ny fomba ahafahantsika mivoatra isika, fa tsy mitsaratsara ny hafa. Tokony hitondra ny olon-kafa tahaka ny fomba tiantsika hitondrana antsika isika.

Matio 7:1–5, 12

I Jesoa mampianatra momba ny trano iray naorina teo ambonin’ny vatolampy.

Avy eo i Jesoa dia nitantara tantara iray momba ny lehilahy adala iray izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika, sy lehilahy manan-tsaina iray nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. Rehefa tonga ny oram-baratra dia nianjera ilay trano teo amin’ny fasika, fa ilay trano teo ambonin’ny vatolampy kosa mbola nijoro tsara. Nilaza i Jesoa fa raha mandre ny fampianarany sy manaraka azy ireo isika, dia mitovy amin’ilay lehilahy manan-tsaina.

Matio 7:24–28