Lioka 1:5–25, 57–80
Teraka i Jaona Mpanao Batisa
Mitazona fampanantenana iray nataony tamin’i Elizabeta sy i Zakaria Andriamanitra
Olona mahatoky izay tia an’ Andriamanitra i Zakaria sy i Elizabeta. Nivavaka izy ireo mba hahazo zaza. Efa tena antitra izy ireo, ary mbola tsy nanan-janaka ihany.
Lioka 1:5–7
I Zakaria dia mpisorona izay nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Indray andro dia voafidy izy mba handoro ditin-kazo manitra tao amin’ny efitrano masina iray tao amin’ny tempoly.
Lioka 1:8–10
Tampoka teo dia nisy anjely niseho. Natahotra i Zakaria. Hoy ilay anjely: “Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatananao”. Nilaza izy fa hanan-janaka lahy i Zakaria sy i Elizabeta. Ary i Jaona no hataon’izy ireo anarany. Nilaza ilay anjely fa nanana asa lehibe hotanterahana i Jaona. Hanampy ny olona ho vonona handray ny Mpamonjy izy, rehefa tonga Izy.
Lioka 1:12–17
Tsy nino ny zavatra nolazain’ilay anjely i Zakaria. Antitra loatra izy sy i Elizabeta raha ny momba ny fananan-janaka. Nilaza ilay anjely fa noho i Zakaria tsy nino ny hafany, dia tsy hahay hiteny izy raha tsy efa teraka i Jaona.
Lioka 1:18–20
Nanontany tena ny olona hoe nahoana i Zakaria no ela be tao amin’ny tempoly. Rehefa niala tao izy, dia tsy nahay niteny. Mety ho nilaza izy ireo fa nisy zavatra miavaka nitranga.
Lioka 1:21–23
Volana maromaro taty aoriana dia nanan-janaka i Elizabeta, toy ny nampanantenain’ilay anjely. Tena faly ny fianakaviana sy ny naman’izy ireo! Tonga nihaona tamin’ilay zazakely izy ireo.
Lioka 1:57–59
Nihevitra izy ireo fa tokony nomena anarana hoe Zakaria, tahaka ny rainy ilay zaza. “Atao hoe Jaona izy”, hoy i Elizabeta. Nanontany an’i Zakaria izy ireo, izay mbola tsy nahay niteny. Dia nanoratra izy hoe: “Jaona no anarany”. Taitra ny olon-drehetra.
Lioka 1:59–63
Tampoka teo dia afaka niteny indray i Zakaria. Nisaotra an’ Andriamanitra izy, ary feno ny Fanahy Masina. Nilaza tamin’ny olona rehetra Izy fa nahatsiaro ny fampanantenany tamin’ny vahoakany Andriamanitra. Ary nilaza izy fa i Jaona dia ho mpaminany. Nampianatra ny olona hibebaka sy hatao batisa i Jaona. Nanampy azy ireo hiomana hianatra avy amin’i Jesoa Kristy Izy.
Lioka 1:64–80