Lioka 15
Ilay Ondry very, ilay farantsakely very, ary ilay zanaka adala
Fanoharana telo momba ny fitiavan’ Andriamanitra
Nahita an’i Jesoa niresaka sy niara-nisakafo tamin’ny olona izay noheverin’izy ireo fa mpanota ny mpitarika Jiosy sasany. Nihevitra ireo mpitarika ireo fa tsy mety ny niarahan’i Jesoa nihinana tamin’ny mpanota. Nilaza tantara na fanoharana telo tamin’ireo mpitarika i Jesoa mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa te hanampy ny olona rehetra hibebaka Izy ary faly aok’izany Izy rehefa manao izany izy ireo.
Lioka 15:1–3
Ny fanoharana voalohany dia momba ny lehilahy iray izay nanana ondry 100. Very ny iray tamin’ireo ondriny.
Lioka 15:4
Navelan’ilay lehilahy ny ondry 99 ka lasa izy nitady ilay iray very. Tsy nitsahatra nitady izy mandra-pahitany izany.
Lioka 15:4
Rehefa hitany ilay ondry very nony farany dia faly ery izy! Nentiny nody teo an-tsorony ilay ondry ary nilaza tamin’ireo namany sy mpiara-belona taminy izy mba hiara-hifaly aminy. Nilaza i Jesoa fa toy izany no zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra rehefa mibebaka amin’ny fahotany sy miverina Aminy ny olona iray.
Lioka 15:5–7
Ny fanoharana faharoa dia momba ny vehivavy iray izay nanana farantsakely volafotsy 10. Rehefa very ny iray dia nampirehitra jiro izy ka namafa ny tranony mba hitady ilay farantsakely very. Tsy nitsahatra nitady izy mandra-pahitany izany
Lioka 15:8
Rehefa hitany ilay farantsakely very nony farany dia faly ery izy! Nilaza tamin’ireo namany sy mpiara-belona aminy izy mba hiara-hifaly aminy. Nilaza i Jesoa fa toy izany no zavatra tsapan’ireo anjely any an-danitra rehefa mibebaka amin’ny fahotany ny olona iray.
Lioka 15:9–10
Ny fanoharana fahatelo dia momba ny lehilahy iray izay nanana zanakalahy anankiroa. Tsy te hiara-hipetraka amin-drainy intsony ilay zandriny. Nangataka an-drainy izy mba hanome azy ny anjarany amin’ny volan’ny fianakaviana tamin’io fotoana io. Avy eo dia nandao ny tranony ilay zanakalahy ary nandeha tany amin’ny firenena lavitra iray.
Lioka 15:11–13
Nanao safidy tena ratsy ilay zanakalahy. Laniny ilay vola nomen-drainy azy.
Lioka 15:13
Rehefa lany tanteraka ny volany dia noana be izy. Tsy misy olona nanome hanina ho azy. Nahita asa mamahana kisoa izy nony farany. Noana loatra ilay zanakalahy ka te-hihinana ireo sakafon-kisoa izy. Fantany fa nila niverina tany amin-drainy izy.
Lioka 15:14–18
Saingy tsy azon’ilay zanakalahy antoka hoe horaisin-drainy indray izy. Nanapa-kevitra izy fa hanontany an-drainy raha afaka ny ho iray amin’ireo mpanompony.
Lioka 15:17–19
Rehefa nandeha nody ilay zanakalahy dia nahita azy avy lavitra ny rainy. Faly be ilay ray, nihazakazaka nankany amin’ny zanany lahy izy!
Lioka 15:20
Nisakambina ny zanany lahy ilay raim-pianakaviana ary nanoroka azy. Nilaza tamin’ireo mpanompony izy mba hitondra ny akanjo tsara indrindra ho an’ny zanany lahy ary hanomana fety. Tiany hankalaza sy ho faly ny olon-drehetra satria nody ilay zanany lahy.
Lioka 15:20–24
Nandritra izay fotoana izay dia niasa tany an-tsaha ilay zokiny lahy. Rehefa niverina tao an-trano izy dia nahare mozika sy fandihizana. Nanontany mpanompo iray izy hoe inona no nitranga. Nilaza taminy ilay mpanompo fa nody ilay zandriny lahy, koa dia nifety izy ireo mba hankalazana izany.
Lioka 15:25–27
Tezitra ilay zokiny lahy. Nasain-drainy ho ao amin’ilay fety izy saingy tsy nandeha. Nilaza tamin-drainy izy fa efa nanompo azy nandritra ny taona maro, saingy tsy nisy olona nanao fety ho azy. Nilaza taminy ilay raim-pianakaviana hoe: “Anao avokoa izay rehetra ananako”, saingy tsara ny mifaly rehefa mibebaka sy miverina mody ny olona iray!
Lioka 15:28–32