Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa mampianatra momba ny tany, ny voa, ny mofo, ary ny voahangy—Tantara tsotra mba hanampiana antsika hahatakatra ireo fahamarinana ara-panahy


Matio 13

I Jesoa mampianatra momba ny tany, ny voa, ny mofo, ary ny voahangy

Tantara tsotra hanampiana antsika hahatakatra ireo fahamarinana ara-panahy

I Jesoa mampianatra avy eo an-tsambokely, raha ny olona kosa mihaino.

Matetika i Jesoa no nitantara tantara antsoina hoe fanoharana. Nampitaha ireo zavatra andavanandro mahazatra amin’ireo fahamarinana manan-danja momba ny filazantsarany i Jesoa ao amin’ireo fanoharana. Mba hahatakarana ireo fanoharana dia tsy maintsy nihaino tsara sy nieritreritra lalina ny dikan’izy ireo ireo mpanara-dia Azy. Ireo fanoharana ireo dia nanampy azy ireo hianatra momba ny fanjakan’ Andriamanitra.

Matio 13:3, 10–15

I Jesoa manomboka fanoharana momba ny lehilahy iray izay namafy voa.

Tao anatin’ny fanoharana iray dia nisy lehilahy iray nandeha tany an-tsaha mba hamafy voa. Namafy voa maro nanerana ny saha izy. Nifafy tamina karazana tany samihafa ireo voa.

Matio 13:3

Mifafy eny amoron-dalana ny sasany amin’ireo voa.

Voafafy teny amoron-dalana ny voa sasany, izay toerana tsy nahafahany nitombo na oviana na oviana. Dia tonga ireo vorona ary nihinana ireo voa izay nifafy teo.

Matio 13:4

Mifafy eny amin’ny tany marivo ambony vatolampy ny sasany amin’ireo voa.

Voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy ny voa sasany. Nalaky nitrebona ireo voa, saingy tsy afaka nitombo ireo faka noho ireo vato. Ka rehefa nafana ny andro dia maty ireo tsimoka.

Matio 13:5-6

Mifafy eny amin’ny tany feno ahi-dratsy ny sasany amin’ireo voa.

Voafafy teny amin’ny tany feno tsilo ny voa sasany. Noho ny tsilo dia tsy afaka nitombo ireo voa.

Matio 13:7

Mitombo ka lasa zavamaniry matanjaka ny sasany amin’ireo voa.

Voafafy teny amin’ny tany tsara ireo voa hafa. Lasa zavamaniry matanjaka sy salama izy ireo. Namoa voa maro izy ireo.

Matio 13:8

Manazava i Jesoa fa ny voa dia tahaka ny tenin’ Andriamanitra.

Mba hanampiana ireo mpianany hahatakatra dia nanazava ny dikan’ny fanoharana nataony i Jesoa. Ny voa dia tahaka ny tenin’ Andriamanitra. Ireo karazana tany samihafa dia toy ny fon’ny olona sy ireo fihetsika samihafa asehon’izy ireo amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra. Ny tany tsara dia toy ny olona izay mandre ny tenin’ Andriamanitra, ka mahatakatra izany, ary mankatò Azy.

Matio 13:18–23

I Jesoa mampianatra momba ny voan-tsinapy iray.

Mba hampianarana mikasika ny fomba hitomboan’ny fanjakan’ Andriamanitra dia niresaka momba ny voan-tsinapy iray i Jesoa. Tena kely izany, saingy mitombo ka lasa hazo izay ahafahan’ireo vorona mitoetra.

Matio 13:31–32

I Jesoa mampianatra momba ny mofo sy ny masirasira.

Nilaza ihany koa i Jesoa fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tahaka ny lalivay na masirasira izay ampiasain’ny vehivavy iray rehefa manao mofo. Mitaky lalivay kely fotsiny izany mba hahatonga ny mofo iray manontolo hibontsina.

Matio 13:33

I Jesoa milaza fanoharana iray momba ny voahangy iray.

Nitantara tantara iray hafa momba ny lehilahy iray izay nividy vato soa i Jesoa. Nahita iray tena tsara tarehy sy sarobidy izy. Lasa nivarotra ny fananany rehetra izy mba hahafahany mividy ilay vatosoa. Nilaza io tantara io i Jesoa mba hampianarana fa tena sarobidy tokoa ireo fitahian’ny filazantsara ka tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba handraisana azy ireny.

Matio 13:45–46