Tantara ao amin’ny soratra masina
Te hanasazy vehivavy iray izay nanota ny olona—“Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”


Jaona 8:1–11

Te hanasazy vehivavy iray izay nanota ny olona

Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony

I Jesoa mampianatra ao amin’ny tempoly.

Indray maraina dia nandeha tany amin’ny tempoly tao Jerosalema i Jesoa Kristy. Olona maro no nivory nanodidina Azy mba hihaino Azy mampianatra.

Jaona 8:1–2

Ireo mpitarika Jiosy mitondra vehivavy iray eo amin’i Jesoa.

Raha nampianatra i Jesoa dia nitondra vehivavy iray teo Aminy ireo mpitarika Jiosy sasantsasany. Tratra nandika ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra izy. Araka ny lalàna dia tokony hovonoina ho faty amin’ny alalan’ny fitoraham-bato ilay vehivavy.

Jaona 8:3–5

Ireo lehilahy manontany an’i Jesoa ny fomba tokony hanasaziana ilay vehivavy.

Nanontany an’i Jesoa ny zavatra tokony hitranga amin’ilay vehivavy ireo lehilahy ireo. Nanandrana ny hamitaka an’i Jesoa izy ireo. Fantatr’izy ireo fa tsy ho tiany ny handratra ilay vehivavy. Saingy raha toa ka nilaza i Jesoa fa tsy tokony hofaizina ilay vehivavy dia azon’izy ireo atao ny milaza fa tsy nankatò ny lalàna Izy.

Jaona 8:6

I Jesoa manoratra eo amin’ny tany.

Saingy tsy namaly azy ireo i Jesoa. Niondrika Izy ary nanoratra tamin’ny tany. Nanontany Azy indray ny zavatra tokony hataony ireo lehilahy.

Jaona 8:6–7

Mamaly ireo mpitarika i Jesoa.

Farany dia nitsangana i Jesoa ary nitodika tany amin’ireo lehilahy ireo. Nilaza izy fa raha toa ka misy tsy mbola nanota mihitsy ny iray amin’izy ireo, dia izy no voalohany hitora-bato ilay vehivavy.

Jaona 8:7

I Jesoa manohy manoratra eo amin’ny tany.

Avy eo dia niondrika indray i Jesoa ary nanohy nanoratra teo amin’ny tany. Fantatr’ireo lehilahy rehetra ireo fa nanana fahotana ihany koa izy ireo. Niala tsirairay izy ireo.

Jaona 8:8–9

I Jesoa milaza amin’ilay vehivavy fa voavela heloka izy.

Nijery manodidina i Jesoa ary tsy nahita afa-tsy ilay vehivavy nijoro teo. Nanontaniany azy hoe nankaiza ireo rehetra izay te hanasazy azy. Nolazainy Taminy fa lasa avokoa izy rehetra. Hoy i Jesoa tamin’ilay vehivavy hoe: “Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nino an’i Jesoa ilay vehivavy.

Jaona 8:9–11.