Tantara ao amin’ny soratra masina
Fampidirana: Ny mombamomba ny Testamenta Vaovao—Ny tantaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpanara-dia Azy


Fampidirana

Ny mombamomba ny Testamenta Vaovao

Ny tantaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpanara-dia Azy

Mpaminany fahiny iray manoratra eo amin’ny horonan-taratasy.

Mizara roa ny Baiboly: ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ny asa soratr’ireo mpaminany fahagola. Ny sasany tamin’ireo mpaminany ireo dia nanoratra fa nampanantena ny handefa Mpamonjy Andriamanitra. Ho Ilay Zanak’ Andriamanitra Izy, ary hamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana mba hahafahantsika miaina miaraka amin’ Andriamanitra indray.

Isaia 53:3–5; Jakôba 7:11; Mosesy 4

I Maria mitrotro an’i Jesoa zazakely.

Ny Testamenta Vaovao dia mitantara ny fomba nahatanterahan’io fampanantenana io. Miresaka momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra izany.

Lioka 2:4–7

I Jesoa Kristy mampianatra andian’olona.

Ny Testamenta Vaovao ihany koa dia miresaka momba ny fiainan’i Jesoa. Niaina teo anivon’ny Jiosy Izy ary nampianatra antsika ny fomba hiainana mba hahafahantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra indray andro any.

Matio 5:1–2

I Jesoa mikarakara ankizy iray.

Nitsodrano sy nanompo ny olona i Jesoa. Nanao fahagagana maro ho azy ireo Izy, toy ny fanasitranana olona marary sy ny fananganana olona efa maty ho velona indray.

Matio 4:23

I Jesoa manendry ny iray amin’ireo Apôstôliny.

Nisafidy roa ambin’ny folo tamin’ireo mpanara-dia Azy i Jesoa mba ho Apôstôly. Nomeny fahefana hitarika ny Fiangonany izy ireo.

Lioka 9:1–2

I Jesoa mivoaka avy ao am-pasana.

Satria tia antsika Izy dia nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny alahelontsika ary ny fahotantsika rehetra. Maty ho antsika Izy. Avy eo, telo andro taty aoriana dia nandresy ny fahafatesana Izy ary nitsangana tamin’ny maty! Velona i Jesoa Kristy, ary noho Izy dia afaka mibebaka amin’ny fahotantsika isika ary ho velona indray any aorian’ny fahafatesantsika.

Almà 7:11–13

Ankizy roa amin’izao androntsika izao mamaky ny Testamenta Vaovao.

Olona izay nahafantatra sy tia an’i Jesoa no nanoratra momba izany rehetra izany. Nanoratra taratasy ireo Apôstôliny mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Voatahiry nandritra ny taona maro be ireo zavatra nosoratan’izy ireo. Ankehitriny ianao dia afaka mamaky izany ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary mianatra ny fomba hanarahana an’i Jesoa Kristy.

Lioka 1:1–4