Tantara ao amin’ny soratra masina
Mpitondratena iray sy farantsakely roa—Mampianatra momba ny fahafoizan-tena i Jesoa


Marka 12:41–44

Mpitondratena iray sy farantsakely roa

Mampianatra momba ny fahafoizan-tena i Jesoa

I Jesoa mijery ireo olona manolotra vola ao amin’ny tempoly .

Nandeha tany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesoa. Raha tao Izy dia nijery ny olona nanome vola ho an’ny asan’ny tempoly. Maro ireo mpanan-karena nanome vola be.

Marka 12:41

Ireo farantsakelin’ny vehivavy mahantra iray.

Avy eo dia nisy mpitondratena mahantra iray nanome vola roa antsoina hoe farantsakely. Tsy dia betsaka izany, fa izay no vola rehetra nananany.

Marka 12:42, 44

I lay vehivavy manolotra farantsakely roa.

Hitan’i Jesoa ilay mpitondratena ary nangataka ny mpianany mba hijery ny zavatra nataony.

Marka 12:43

I Jesoa mampianatra momba ny fahafoizan-tenan’ilay vehivavy.

Nilaza i Jesoa fa ilay mpitondratena no nanome mihoatra noho ny olona rehetra. Nanome vola be ny mpanan-karena, saingy ampahany kely fotsiny tamin’ny zavatra nananan’izy ireo izany. Vola kely ihany no nomen’ilay mpitondratena, saingy nomeny izay rehetra nananany.

Marka 12:43–44