“Ny -Hatsiaka- tao Ghana,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Ny -Hatsiaka- tao Ghana,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Jona 1989–Nôvambra 1990
Ny “Hatsiaka” tao Ghana
Mijanona ho mahatoky mandritra ny fotoana tsy ahafahan’ny Olomasina miangona
Misiônera nanompo tany Ghana, firenena niaviany, i Alice Johnson. Tiany ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy sy manampy ny Fiangonana hitombo.
Olomasina, 4:416–17
Indray andro dia nahazo vaovao nahasosotra i Alice. Nilaza ny governemanta tao Ghana fa tsy afaka ny hisy fivoriam-piangonana intsony. Tsy afaka nampianatra intsony ireo misiônera.
Olomasina, 4:417
Nasain’ny pôlisy niala tao amin’ny trano fonenany ireo misiônera ary nalain’izy ireo ny bisikiletany. Nisy mpikamban’ny Fiangonana sasany nampidirina am-ponja. Nohidin’ireo miaramila ireo tranon’ny Fiangonana ary tsy nisy navelany niditra tao. Nantsoin’ny olona hoe “ny hatsika” izany.
Olomasina, 4:417–18
Tsy maintsy nody ireo misiônera. Nandeha nipetraka niaraka tamin’ny namana iray tany amin’ny tanàna iray hafa i Alice. Nanahy izy sao tsy afaka intsony hamita hatramin’ny farany ny asa fitoriany.
Olomasina, 4:418
Sahiran-tsaina sy nalahelo ary natahotra ireo Olomasina tao Ghana. Nanontany tena izy ireo hoe inona no tsy nety nataon’izy ireo. Mbola hiverina hiangona ve izy ireo indray andro any?
Olomasina, 4:418
Na dia tsy afaka niangona niaraka tamin’ny paroasiny aza ireo Olomasina dia mbola tia ny Tompo ihany izy ireo ary naniry ny hitsaoka Azy. Nanao fivoriana fanasan’ny Tompo tany an-tranony izy ireo. Nitsodrano ny mofo sy ny rano ireo olona tao amin’ny fianakaviana izay nanana ny fisoronana ary nizara izany tamin’ny fianakaviana ambiny.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:32; Olomasina, 4:419
Nandeha teny ny volana dia nitohy ilay hatsiaka. Nihira hira tao amin’ny fihirana ireo Olomasina ary nifampianatra ny filazantsara tao an-tokantranon’izy ireo. Nifampitsidika izy ireo mba hanampy amin’ny fihazonana ny finoany ho matanjaka. Natokan’izy ireo ny fahafolonkarenany izay haloany rehefa afaka miverina any am-piangonana indray izy ireo. Nivavaka sy nifady hanina izy ireo mba hifaranan’ilay hatsiaka.
Olomasina, 4:436–37
Nony farany, taorian’ny 18 volana dia nanapa-kevitra ny governemanta fa afaka manao fivoriana indray ny Fiangonana. Nangataka ny hiresaka tamin’i Alice, izay mpianatra tany amin’ny oniversite, ny filohan’ny misiôna vaovao iray. “Te hiverina ve ianao ka hanao asa fitoriana aorian’ny fianarana?” hoy izy nanontany. “Tsia,” hoy izy. “Te hanompo izao dia izao aho!”
Olomasina, 4:437–39
Faly tokoa i Alice sy ireo Olomasina hafa fa afaka nandeha niangona indray izy ireo! Ny alahady voalohany taorian’ilay hatsiaka dia naharitra adiny roa ny fivoriana fanasan’ny Tompo satria maro ireo olona naniry ny hijoro ho vavolombelona. Nifampizaran’izy ireo ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo sy ny nanampiany azy ireo hihazona ny finoany hatanjaka.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75; Olomasina, 4:438