“Nizara ny Bokin’i Môrmôna i Samuel Smith”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nizara ny Bokin’i Môrmôna i Samuel Smith”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1830–1832
Nizara ny Bokin’i Môrmôna i Samuel Smith
Mitahy fiainana maro ny boky iray
Niantso an’i Samuel Smith, zandrin’i Joseph ny Tompo hanao asa fitoriana ny filazantsara. Nihaona tamin’i John sy i Rhoda Greene i Samuel ary nilaza tamin’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna. Mpitory teny tao amin’ny fiangonana iray hafa i John. Nilaza izy fa haka tahadika iray an’ilay boky ary hijery raha misy olona te hamaky izany ao amin’ny fiangonany.
Olomasina, 1:99
Volana vitsivitsy taty aoriana dia niverina i Samuel. Nilaza i Rhoda fa tsy nahita na iza na iza naniry hamaky ny Bokin’i Môrmôna ny vadiny. Nomeny an’i Samuel indray izany.
Olomasina, 1:99
Nalahelo i Samuel. Nitodika izy mba handeha, saingy najanon’i Rhoda. Nilaza izy fa efa namaky ny Bokin’ Môrmôna ary tiany izany.
Olomasina, 1:99
Nilaza tamin’i Samuel ny Fanahy Masina mba hamerina ilay boky amin’i Rhoda. “Angataho Andriamanitra mba hanome anao fijoroana ho vavolombelona,” hoy i Samuel taminy. Nampianatra an’i Rhoda momba ny Fanahy Masina izy sy ny fomba hahafantarany fa marina ny Bokin’i Môrmôna.
Môrônia 10:3–5; Olomasina, 1:99–100
Niverina avy tany amin’ny asa fitoriana i Samuel. Tsy nanao batisa an’iza na iza izy, ary olona vitsy ihany no liana tamin’ny Bokin’i Môrmôna.
Nivavaka i Rhoda sy i Jaona ary nilaza tamin’izy ireo ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Avy eo dia nizara ilay boky tamin’ny anadahiny, i Brigham Young, i Rhoda.
Olomasina, 1:100
Nikaroka ny Fiangonana marin’i Jesoa i Brigham sy i Heber Kimball namany. Namaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Nandalina sy nivavaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy efa ho nandritra ny roa taona izy ireo.
Nandritra io fotoana io dia nanatrika fivoriam-piangonana niaraka tamin’ny fianakaviany i Brigham sy i Heber. Nandritra ny iray tamin’ireo fivoriana ireo dia nahare misiônera iray nizara ny fijoroany ho vavolombelona i Brigham. Tsy mpandahateny lehibe ilay misiônera, saingy nahatsapa ny Fanahy Masina i Brigham rehefa niteny izy. Fantatr’i Brigham fa nilaza ny marina izy.
Natao batisa i Brigham sy ny vadiny Miriam ary i Heber sy ny vadiny Vilate. Tian’izy ireo ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Taona maro taty aoriana dia niantso an’i Brigham sy i Heber ny Tompo mba ho Apôstôliny sy hanao asa fitoriana. Satria nizara ny Bokin’i Môrmôna i Samuel dia olona maro no niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–29; 126; Olomasina, 1:215–16