“Nianatra momba ny batisa ho an’ny maty ireo Olomasina”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nianatra momba ny batisa ho an’ny maty ireo Olomasina”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Aogositra–Ôktôbra 1840
Nianatra momba ny batisa ho an’ny maty ireo Olomasina
Fanantenana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy vita batisa
Nipetraka tao Nauvoo i Jane Neyman. Nandeha namonjy fandevenana iray izay nandraisan’i Joseph Smith fitenenana izy. Nahatonga an’i Jane hieritreritra an’i Cyrus zanany ilay fandevenana. Maty izy ary tsy vita batisa. Niahiahy momba an’i Cyrus i Jane. Fantany fa tsy maintsy atao batisa isika vao afaka miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra.
Les saints, 1:421
Fantatr’i Joseph ny zavatra tsapany. Nanana eritreritra nitovy tamin’izany koa izy momba an’i Alvin rahalahiny izay maty tsy vita batisa ihany koa.
Les saints, 1:421
Nizara zavatra izay nampianarin’ Andriamanitra azy i Joseph tao amin’ilay fandevenana. Nilaza izy fa rehefa maty tsy vita batisa ny olona iray dia azo atao batisa eo amin’ny toeran’izy ireo isika.
Les saints, 1:421
Tena faly i Jane raha nandre izany! Fotoana fohy taorian’ilay fandevenana dia nandeha tany amin’ilay renirano niaraka tamin’ny loholon’ny Fiangonana izy. Nataony batisa izy ho an’i Cyrus.
Les saints, 1:421
Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nampianatra bebe kokoa ny Olomasina momba ny batisan’ny maty i Joseph. Nilaza izy fa olona maro izay efa nodimandry no naniry ny hatao batisa. Naniry hanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo. Niandry sy nanantena ireo olona tao amin’ny fianakaviany izay mbola velona izy ireo mba hatao batisa ho azy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–19; Les saints, 1:423
Nihazakazaka nankany amin’ny renirano avy hatrany ireo Olomasina. Natao batisa ho an’ny olona tian’izy ireo izy ireo. Natao batisa ho an’i Alvin i Hyrum Smith. Taty aoriana dia nampianatra ny Tompo fa ny batisan’ny maty dia tokony hatao any amin’ny tempoly, tokony hisy olona iray hihazona ny rakitsoratry ny batisa tsirairay, ary ny lehilahy no tokony hatao batisa ho an’ny lehilahy ary ny vehivavy ho an’ny vehivavy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29–32; 127:5–12; 128:1–9; Les saints, 1:424