Tantara ao amin’ny soratra masina
Notokanana ny Tempolin’i Kirtland


“Notokanana ny Tempolin’i Kirtland”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Notokanana ny Tempolin’i Kirtland”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Martsa 1836

Notokanana ny Tempolin’i Kirtland

Mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo ao an-tranony

Fianakaviana  mandeha an-tongotra mankeny amin’ny tempolin’i Kirtland.

Taorian’ny telo taona latsaka kely niasana mafy dia vita ihany ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny farany. Nanasa ny Olomasina ny Mpaminany Joseph hanatrika fivoriana manokana ho fanokanana ny tempoly. Hanao vavaka manokana izy ary hanome ny tempoly ho an’ny Tompo. Ho lasa trano masin’ny Tompo izany.

Les saints1:235

Olona mivory ao amin’ny tempoly  ho an’ny fanokanana.

Vao marainan’ilay fivoriana dia Olomasina an-jatony no nitangorongorona teo amin’ny tempoly. Rehefa feno avokoa ireo fitoerana rehetra dia nijoro teo amin’ny varavarana sy tany ivelany ny olona, nijery avy teo am-baravarankely. Nientanentana daholo ny rehetra hahita ilay tempoly hotokanana.

Les saints, 1:235–36

Joseph Smith mamaky ny vavaka ho an’ny fanokanana.

Namaky vavaka ho fanokanana ny Tempoly i Joseph. Nilaza tamin’ny Tompo izy fa nankatò Azy ny Olomasina. Nangataka tamin’ny Tompo izy mba hanaiky ny tempoly ho tranony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–5

Olona mikimpy eo am-pivavahana.

Nivavaka i Joseph mba hahatsapan’ireo rehetra izay tonga tao amin’ny tempoly ny herin’ny Tompo ary hahafantatra fa tranony izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13

Midera ny Tompo ny mpiangona.

Nivavaka ihany koa i Joseph hoe rehefa nanota ny Olomasina dia ho afaka mibebaka avy hatrany izy ireo. Nangataka ny Tompo izy mba hanome azy ireo hery hizarana ny filazantsarany manerana izao tontolo izao. Taorian’ilay vavaka dia nihira hira vaovao antsoina hoe “Fanahin’ny Ray” ny amboaram-peo iray. Feno hafaliana ny fon’ny olona. Nitsangana izy ireo nisaotra ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:21–32; Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 56; Les saints, 1:237

Fahazavana mamirapiratra midina  mankeo amin’ny tempoly.

Maro ireo olona nahita anjely tao amin’ny tempoly tamin’io andro io. Nahita hazavana mamirapiratra nidina avy tany an-danitra nankeo amin’ny tempoly izy ireo. Nilaza ny olona sasany fa toy ny rahona izany; nilaza ny hafa fa toy ny afo izany. Nahatsapa avokoa izy rehetra fa toerana masina ny tempoly. Tena tranon’ny Tompo izany ankehitriny.

Les saints1:237