Tantara ao amin’ny soratra masina
Nahita ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona


“Nahita ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Nahita ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Martsa–Septambra 1829

Nahita ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona

Mijoro ho vavolombelona amin’izao tontolo izao

Tezitra tamin’i Joseph Smith ny mponina sasany teo amin’ny tanàna nisy azy.

Nanohy nandika ireo takela-bolamena tao an-tokatranon-dry Smith tany Pennsylvanie i Joseph sy i Emma ary i Oliver. Saingy naniry ny hanakana azy ireo ny mponina tao amin’ny tanànan’izy ireo. Nanana namana iray nantsoina hoe David Whitmer izay nipetraka tany New York i Oliver. Nanontany an’i David i Oliver raha afaka miara-mipetraka amin’ny fianakaviana Whitmer izy ireo mba hamita ny fandikan-teny.

Olomasina, 1:68

I David Whitmer mandray an’i Joseph sy i Emma ary i Oliver ao an-tokatranony.

Nanaiky i David sy ny fianakaviany. Noraisin’izy ireo tao an-tokatranony i Joseph sy i Emma ary i Oliver. Afaka miasa amin’ny fandikan-teny amim-pilaminana amin’izay izy ireo. Maro ireo olona nipetraka tao an-tranon-dry Whitmer. Nidika izany fa betsaka ny asa tokony hatao, indrindra ho an’i Mary renin’i David.

Olomasina, 1:68–70

Ny anjely Môrônia niseho tamin’i Mary Whitmer.

Indray andro raha teo am-panaovana asa i Mary dia niseho taminy ny anjely Môrônia. Nilaza izy fa fantany fa ny asa fanampiny rehetra dia nandreraka azy. Te hampatanjaka ny finoany izy. Nanokatra harona iray izy ary namoaka ireo takela-bolamena. Navadiny ireo pejy ary nasehony an’i Mary ilay soratra. Nampanantena izy fa hotahiana i Mary.

Olomasina, 1:70–71

I David Whitmer sy i Martin Harris ary i Oliver Cowdery nanontany an’i Joseph raha afaka ny ho ireo vavolombelona izy ireo.

Tsy nino ny olona sasany fa tena nisy ireo takelaka. Nankatò ny didin’ny Tompo ny mba tsy hampisehoany ireo takelaka tamin’ny olona rehetra i Joseph. Nilaza ny Tompo fa hamela vavolombelona telo fanampiny hahita ireo takelaka Izy. Nanontany i David Whitmer sy i Martin Harris ary i Oliver Cowdery raha afaka ny ho ireo vavolombelona izy ireo. Nilaza ny Tompo fa afaka manao izany izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11–12; 17; Olomasina, 1:73

I Joseph, i Martin, i Oliver ary i David nivavaka mba hahazo tenivavolombelona momba ireo takela-bolamena.

Nandeha tany anaty ala i Joseph sy i Martin ary i Oliver sy i David. Nandohalika izy ireo ary nifandimby nanontany an’ Andriamanitra raha afaka mahita ireo takelaka, saingy tsy nisy zavatra nitranga.

Olomasina, 1:73

I Martin Harris mandao ilay vondrona.

Nahatsapa i Martin Harris fa izy no antony tsy namaliana ny vavaka nataon’izy ireo. Nisintaka i Martin ary nanohy nivavaka kosa ireo hafa.

Olomasina, 1:73

anjely iray niseho tamin’i Oliver sy i David ary i Joseph.

Nisy anjely niseho tamin’ny hazavana mamirapiratra avy eo. Nasehony an’i Oliver sy i David ireo takela-bolamena sy ny soratra teo aminy. Nandre ny feon’ Andriamanitra izy ireo nilaza fa nadikan’i Joseph tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ireo takelaka ary marina ny fandikana. Nilaza ihany koa Andriamanitra fa tokony hilaza amin’ny olona rehetra ny zavatra hitany sy reny izy ireo.

Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona telo”; Olomasina, 1:73–74

anjely iray niseho tamin’i Martin sy i Joseph.

Nandeha nitady an’i Martin i Joseph. Mbola nivavaka hatrany izy. Niara-nivavaka taminy i Joseph. Nisy anjely iray avy eo niseho ary nampiseho ireo takelaka an’i Martin, tahaka ny nataony tamin’i Oliver sy i David.

Olomasina, 1:74

I Joseph Smith nilaza tamin’ny ray aman-dreniny fa nisy olona hafa nahita ireo takela-bolamena.

Taorian’izay i Joseph dia nandeha nitady ny ray aman-dreniny, izay tonga nitsidika an’i Mary Whitmer. Nozarainy tamin’izy ireo ny hafaliany fa nisy olona hafa nahita ireo takelaka. Ankehitriny dia afaka milaza amin’ny olona ireo vavolombelona fa nilaza ny marina i Joseph. Nozarain’i Martin tamin’ny olona rehetra ny hafaliany noho ny namelan’ Andriamanitra azy ho iray amin’ireo vavolombelona.

Olomasina, 1:74–75

Olona valo fanampiny nahazo tenivavolombelona momba ireo takela-bolamena.

Andro vitsy taty aoriana dia nasain’ny Tompo nasehon’i Joseph tamin’ny olona valo hafa ireo takela-bolamena, ny rainy, ny roa tamin’ireo rahalahiny, ny efatra tamin’ireo rahalahin’i David, ary ny zaodahin’i David. Afaka nitazona ireo takelaka izy ireo ary namadika ireo pejy. Fantatr’izy ireo fa tena nisy ireo takelaka.

Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo”; Olomasina, 1:75

I Joseph sy i Martin mijery ilay asa-soratra natao printy.

Vita ny dikantenin’ilay Bokin’i Môrmôna. Naverin’i Joseph tany amin’ny anjely Môrônia ireo takela-bolamena. Tonga ny fotoana hanaovana printy tahadika maron’ilay boky mba hahafahan’ny rehetra mamaky sy mianatra mismisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

Olomasina, 1:75–76

I Joseph sy i Martin mankalaza ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna.

Lafo tokoa ny fanaovana printy ny Bokin’i Môrmôna. Nafoin’i Martin Harris ny ampahany tamin’ny toeram-piompiany sy famboleny mba handoavana izany. Nataony izany satria fantany fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Misy ny tenivavolombelon’i Martin sy ireo vavolombelona hafa avokoa ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tsirairay mba hovakian’ny rehetra. Tsy nandà na oviana na oviana ny fijoroana ho vavolombelona nananany ireo vavolombelona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26–27, 34–35; Olomasina, 1:76–78