Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny nofin’i Desideria


“Ny nofin’i Desideria,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny nofin’i Desideria,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

1880–1886

Ny nofin’i Desideria

Notarihin’ny Tompo tany Mekisika

Desideria Yáñez manofy.

Nipetraka tany Nopala, Mekisika i Desideria Yáñez. Indray alina dia nanofy momba ny boky kely iray izay namboarina tany Mexico City i Desideria. Nantsoina hoe Voz de amonestación, na Feo fampitandremana izany. Rehefa nifoha i Desideria dia fantany fa mila mitady io boky io izy.

Olomasina, 2:477

Desideria mitantara ny zanany lahy ny momba ilay nofy.

Saingy lavitra i Mexico City, ary efa antitra loatra i Desideria ka tsy afaka nanao dia lavitra toy izany. Tsapany fa tian’ny Tompo hitady an’io boky io izy. Noho izany dia nolazainy tamin’i José zanany lahy ilay nofy. Nino ihany koa izy fa manan-danja ilay boky. Nilaza tamin-dreniny izy fa hotadiaviny io boky io ho azy.

Olomasina, 2:478

José tonga tany Mexico City.

Rehefa tonga tany Mexico City i José dia nifanaretsaka sy nikotaba ary feno olona ny arabe. Ahoana no ahafahany mahita ilay boky amin’ny toerana be olona toy izany?

Olomasina, 2:478

I José mihaona amin’i James Stewart.

Andro vitsy taty aoriana dia nihaona tamin’ny misiônera iray nantsoina hoe James Stewart i José. Nilaza i James fa eo am-panontana boky iray antsoina hoe Voz de amonestación.

Olomasina, 2:478

James miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna.

Faly erỳ i José! Nolazainy tamin’i James ny nofin-dreniny. Nanazava i James fa hampiasa ny Voz de amonestación ireo misiônera mba hampianarana ny olona momba an’i Jesoa Kristy sy ny boky soratra masina iray vaovao, dia ny Bokin’i Môrmôna.

Olomasina, 2:478

I James manome boky ho an’i José mba hanampiana azy hianatra momba ny filazantsara.

Tsy mbola vita ny Voz de amonestación ary tsy mbola voadika tamin’ny teny Espaniôla ny Bokin’i Môrmôna. Saingy nomen’i James boky sy gazetiboky hafa i José mba hanampiana azy sy ny reniny hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna ary ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11; Olomasina, 2:478–79

José sy ny reniny miara-mianatra momba ny filazantsara.

Nandeha nody haingana tany amin-dreniny i José. Niara-nandalina ny filazantsara izy ireo ary nahafantatra izy ireo fa marina izany. Nangataka misiônera mba hanao batisa azy i Desideria.

Olomasina, 2:479

Natao batisa i Desideria sy i José ary i Carmen zanakavavin’i José.

Iray tamin’ireo vehivavy voalohany natao batisa tany Mekisika i Desideria. Natao batisa koa i José sy ny zanany vavy.

Olomasina, 2:479

Desideria nahazo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa vita ny Voz de amonestación dia nahazo tahadika 10 i José mba hozarain-dreniny amin’ny hafa tao Nopala. Taona maro taty aoriana, rehefa natonta tamin’ny teny Espaniôla ny Bokin’i Môrmôna nony farany, dia i Desideria no olona voalohany tany Mekisika nahazo tahadika iray. Fantany fa nitarika azy ny Tompo ho ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81; Olomasina, 2:479