Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny fianakaviana Jackson


“Ny fianakaviana Jackson,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny fianakaviana Jackson,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Mey–Nôvambra 1856

Ny fianakaviana Jackson

Dia iray nisehoan’ny finoana sy ny fanavotana

Ny fianakaviana Jackson miakatra ambony sambo iray ao Liverpool, Angletera.

Taorian’ny nandehanan’ny vondron’Olomasina voalohany tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake dia Olomasina an’arivony hafa koa no nandeha. Nanao dia lavitra izy ireo ary nanampy azy ireo ny Tompo. Fianakaviana iray nanao io dia io ny fianakaviana Jackson. Nandao ny tranon’izy ireo tany Angletera izy ireo ary nientanentana ny handeha hanampy ny Olomasina hanangana an’i Ziona.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–11; Olomasina, 2:222–23

Ry Jackson mianakavy mandeha sambo.

Nandeha sambo niampita ranomasimbe ry Jackson mianakavy. Avy eo dia nandeha fiaran-dalambỳ izy ireo namita ny ampahan’ny lalana nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Nila nandeha an-tongotra izy ireo amin’ny ambin’ny lalana.

Olomasina, 2:222–23

Ry Jackson mianakavy mampiakatra entana ao amin’ny sarety tarihin-tanan’izy ireo.

Nanamboatra sarety tarihin-tanana kely izy ireo mba hitondrana ny sakafo sy ny akanjo ary ireo zavatra hafa tian’izy ireo hoentina. Olomasina maro no tonga soa aman-tsara tany amin’ny lohasaha tamin’izany fomba izany.

Olomasina, 2:223–26

Ry Jackson mianakavy mandeha mankany andrefana miaraka amin’ny sarety tarihin-tanany.

Nisintona ilay sarety tarihin-tanany mavesatra i Elizabeth sy i Aaron Jackson. Nandeha an-tongotra i Martha sy i Mary ary i Aaron zanany. Asa mafy izany. Nanantena ny ho tonga any amin’ny lohasaha izy ireo alohan’ny ririnina. Saingy rehefa tonga ny fararano dia mbola lavitra ny lalana mbola hodiavin’izy ireo. Nanomboka nangatsiaka ny andro, ary lany ny sakafon’izy ireo.

Olomasina, 2:223–26, 229, 231–32

Brigham Young dia nangataka ireo Olomasina tao Salt Lake mba hanampy ireo Olomasina izay nanao ny dia niankandrefana.

Tao Salt Lake City dia nahafantatra momba ireo Olomasina izay tamy hankao amin’ilay lohasaha i Brigham Young. Nanahy ny amin’izy ireo izy. Ny ampitson’iny dia nilaza tamin’ny rehetra izy fa sahirana ireo Olomasina ireo. Nangataka azy ireo izy mba hameno sarety maromaro amin’ireo zavatra izay ilain’ny Olomasina. “Mandehana dia ento mankaty ireo olona ireo,“ hoy izy.

Olomasina, 2:229–30

Ireo Olomasina ao Salt Lake manangona zavatra mba hanampiana ireo Olomasina nanao dia miankandrefana.

Nesorin’ireo vehivavy tao amin’ilay fivoriana ny bà mafanan’izy ireo ary napetrany tao anaty sarety izany. Ny hafa kosa dia nanome sakafo, lamba firakotra, kiraro ary akanjo. Roa andro taty aoriana dia lehilahy mihoatra ny 50 sy sarety 20 no nandao ilay lohasaha mba handeha hanampy.

Olomasina, 2:230

I Aaron Jackson sy ireo Olomasina hafa miampita ny Renirano North Platte.

Rehefa nanohy nandeha ny fianakaviana Jackson dia nanomboka nirotsaka ny orampanala. Narary mafy i Aaron. Sarotra taminy ny nandeha. Nila niampita renirano mamanala ireo Olomasina, ary izany dia nahatonga an’i Aaron ho vao mainka nalemy kokoa. Maty tamin’iny alina iny i Aaron. Indrisy fa hanohy ny diany tsy misy azy ny fianakaviany.

Olomasina, 2:232–34

Ry Jackson mianakavy sy ireo Olomasina hafa mitarika ny sarety tarihin-tanana ao anaty orampanala.

Ny ampitso marainan’io dia nisy orampanala bebe kokoa teo amin’ny tany. Nanosika sy nisintona ny sarety tarihin-tanana namakivaky ny orampanala ry Jackson mianakavy sy ireo Olomasina hafa. Nivavaka isan’andro izy ireo mba hanampian’ Andriamanitra azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:29; Olomasina, 2:234–35

Nanofy momba ny vadiny i Elizabeth Jackson.

Indray alina dia niahiahy momba ireo zanany i Elizabeth. Noana sy nangatsiaka izy ireo. Ho tody hatrany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ve izy ireo? Resin-tory izy ary nanofy hoe nahita an’i Aaron. Hoy izy: “Mahereza ry Elizabeth.” Nilaza taminy izy fa ho avy ny fanampiana.

Olomasina, 2:235–36

Olona tonga mba hanampy ny Olomasina.

Marina ny tenin’i Aaron. Vetivety dia tonga niaraka tamin’ny sarety ireo lehilahy avy any Salt Lake. Nanome sakafo sy akanjo ho an’ny Olomasina izy ireo. Nifaly sy nihomehy ireo Olomasina ary namihina ireo lehilahy. Nihira hira tao amin’ny fihirana izy ireo ary nisaotra ny Ray any An-danitra tamin’ny famaliana ny vavaka nataon’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:28; Olomasina, 2:236

Ireo Olomasina avy nanao ny dia ka tonga tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake nony farany.

Alahady ny andro tamin’izy ireo tonga teo amin’ilay lohasaha nony farany. Nilaza tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Salt Lake City i Brigham Young fa tokony handeha hitsena ireo Olomasina izay tonga izy ireo fa tsy handeha hiangona. Niarahaba ireo Olomasina nangatsiaka sy reraka izy ireo ary nanasa azy ireo hijanona tao an-tranony.

Olomasina, 2:239–40