“Susa Young Gates sy Joseph F. Smith,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Susa Young Gates sy Joseph F. Smith,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1902–1918
Susa Young Gates sy Joseph F. Smith
Fanambarana momba ny tontolon’ny fanahy
Zanakavavin’i Brigham Young i Susa Young. Teraka tany Utah izy ary lehibe tany. Tia manoratra izy, ary tiany ny nanompo tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.
Olomasina, 3:9–10, 64
Rehefa lehibe i Susa dia narary mafy. Nangataka tsodranon’ny fisoronana izy. Tao anatin’ilay tsodrano dia nilaza tamin’i Susa ny Tompo fa tiany hanao ny asan’ny tempoly izy.
Olomasina, 3:193–94
Nihasalama i Suza rehefa vita ilay tsodrano. Nampiasainy hianarana momba ny tantaram-pianakaviany ny fotoanany. Rehefa nahita olona tao amin’ny fianakaviana izay maty tsy vita batisa izy, dia nandeha tany amin’ny tempoly mba hatao batisa ho azy ireo. Tiany ny mitantara amin’ny olona momba ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Indrisy fa olona maro no tsy liana.
Olomasina, 3:194–95, 206
Indray andro i Suza dia namangy an’i Joseph F. Smith namany, izay Filohan’ny Fiangonana. Narary nandritra ny herinandro maro ny Filoha Smith. Fantatr’i Susa fa tena nalahelo ihany koa izy satria maty ny zanany lahy. Nalahelo noho ireo zavatra hafa mitranga eto amin’izao tontolo izao koa izy, toy ny ady sy ny aretina.
Olomasina, 3:197–99, 205–6
Saingy rehefa nipetraka niaraka tamin’ny Filoha Smith i Susa dia faly izy niresaka taminy. Nilaza tamin’i Susa izy fa nanome azy fahitana miavaka Andriamanitra. Mikasika ny tontolon’ny fanahy ilay izy, izay toerana halehan’ny olona aorian’ny fahafatesan’izy ireo. Nosoratana tamin’ny taratasy iray ilay fahitany. Nomen’ny Filoha Smith an’i Susa izany ary nasainy novakiany.
Olomasina, 3:206–7
Namaky ilay taratasy i Susa. Nilaza izany fa nitsidika ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy. Naniraka an’i Adama sy i Eva ary ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky hafa Izy mba hampianatra ireo fanahy izay tsy nandray ny filazantsara fony izy ireo mbola velona. Nanampy ireo fanahy ireo hiomana izy ireo mba hahafahan’ny olona hatao batisa ho azy ireo any amin’ny tempoly.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–19, 29–48; Olomasina, 3:206–7
Talanjona i Susa rehefa namaky ny fahitan’ny Filoha Smith. Nitsiky taminy ny Filoha Smith. “Susa”, hoy izy, “manao asa lehibe ianao.” Nolazainy azy fa tiany izy noho ny finoany ny Tompo.
Olomasina, 3:206
Nanoratra momba ilay fanambarana tao amin’ny diariny i Susa. “Tena fampaherezana ho ahy izany!” hoy izy. Tsy andriny ny hilaza amin’ireo namany sy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa momba izany. Fantany fa ny fahitan’ny Filoha Smith dia hanampy ireo Olomasina hientanentana hanao asa any amin’ny tempoly ho an’ireo olona any amin’ny tontolon’ny fanahy.
Olomasina, 3:207