Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny fianakaviana Yanagida


“Ny fianakaviana Yanagida”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny fianakaviana Yanagida”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

1950–1951

Ny fianakaviana Yanagida

Hy fahafolonkarena sy ny finoana an’i Jesoa Kristy

I Toshiko sy Tokichi Yanagida miaraka amin’ny fianakaviany.

Nipetraka tany Japana i Toshiko sy Tokichi Yanagida. Nino an’i Jesoa Kristy izy ireo ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonany. Saingy sarotra ny fiainana tany Japana tamin’izany fotoana izany. Nisy ady nandrava fonenana sy trano maro. Naniry ny hanangana trano ho an’ny fianakaviany i Toshiko sy i Tokichi, saingy tena nahantra izy ireo.

Les saints, 3:543

Miresaka amin’ireo misiônera avy amin’ny Fiangonana ry Yanagida.

Fantatry ry Yanagida fa tian’ny Tompo handoa fahafolonkarena izy ireo, saingy tsy azon’izy ireo antoka hoe afaka manao izany izy ireo. Nanontany misiônera iray i Toshiko ny amin’ny zavatra tokony hataon’izy ireo. “Tena sarotra ho anay ny fahafolonkarena,” hoy izy. Nampanantena ilay misiônera fa raha mandoa ny fahafolonkarenany izy ireo dia hanampy azy ireo hanatratra ny tanjony amin’ny fananana tokantrano iray ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119; Les saints, 3:543–44

Nanapa-kevitra i Toshiko sy i Tokichi fa hanohy handoa fahafolonkarena izy ireo.

Nisalasala i Toshiko sy i Tokichi. Zara raha nanana vola ampy hividianana sakafo antoandro any an-tsekoly ho an’ny zanany lahy izy ireo. Saingy nanapa-kevitra ny hatoky ny Tompo sy handoa fahafolonkarena izy ireo.

Les saints, 3:543–44

Ry Yanagida mijoro eo akaikin’ny toerana misy ny tranon’izy ireo any aoriana.

Nitahy ny fianakaviana Yanagida ny Tompo. Vetivety izy ireo dia afaka nividy tany ary nanomboka nanangana trano iray.

Les saints, 3:544

Mpanao trano iray milaza aminn-dry Yanagida fa tsy azo aorina ny tranon’ izy ireo.

Indray andro dia nisy mpitsirika tonga. Nilaza izy fa nisy olana teo amin’ny tanin’izy ireo, ary tsy afaka nanangana trano teo izy ireo. Nasainy nijanona ireo mpiasa.

Les saints, 3:544

Iray amin’ireo misiônera miresaka amin’ilay fianakaviana.

Nalahelo mafy ry Yanagida. Nolazain’izy ireo tamin’ireo misiônera ny zava-nitranga. Nilaza ireo misiônera fa hifady hanina sy hivavaka miaraka amin-dry Yanagida izy ireo.

Les saints, 3:545

Fiverenan’ny fanorenana indray ny tranon’ilay fianakaviana.

Taty aoriana dia nisy mpitsirika iray hafa tonga. Nilaza izy fa azo vahàna ny olana teo amin’ny tanin’izy ireo. Afaka nanangana ny tranony ry Yanagida. “Tena nanao zavatra tsara ianareo roa,” hoy ilay mpitsirika tamin’i Toshiko sy i Tokichi. Fantatr’izy ireo fa notahian’ny Tompo izy ireo. Faly izy ireo fa natoky Azy sy nandoa fahafolonkarena.

Les saints, 3:545