“Notafihana i Joseph sy i Sidney”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Notafihana i Joseph sy i Sidney”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Febroary 1832
Notafihana i Joseph sy i Sidney
Miezaka manakana ny asan’ny mpaminanin’ Andriamanitra ny olona tezitra
Ny olona sasany dia tia ny zavatra nampianarin’i Joseph Smith momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny lanitra. Saingy tsy tian’ny olona hafa ny zavatra nampianariny. Tezitra ny vitsivitsy tamin’izy ireo ary naniry ny hanakana an’i Josefa tsy hampianatra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76; Les saints, 1:149–50
Indray alina dia niari-tory i Joseph nanampy an’i Emma nikarakara ny iray tamin’ireo zaza kambana natsangan’izy ireo. Narary mafy ilay zaza.
Les saints, 1:150
Nalain’i Emma ilay zazakely ary nilaza tamin’i Joseph izy mba hiala sasatra. Tsy maintsy handeha hitory izy ny maraina. Farany dia samy resin-tory i Joseph sy i Emma.
Les saints, 1:150
Tampoka teo dia nisokatra ny varavarana ary nisy andiana lehilahy tezitra nihazakazaka nankany amin’ny efitrano. Nikiakiaka i Emma rehefa notaritaritin’ireo lehilahy tamin’ny sandriny sy ny tongony ary ny volony i Joseph. Notaritaritin’izy ireo hivoaka ivelan’ny trano izy.
Les saints, 1:150–51
Niezaka niala tamin’ireo lehilahy i Joseph, saingy nohazonin’izy ireo mafy izy. Nahita i Joseph fa notaritaritin’ireo lehilahy ireo hiala ny tranony ihany koa i Sidney Rigdon namany.
Les saints, 1:151
Norovitin’ireo lehilahy ny akanjon’i Joseph ary norarahan’izy ireo tara mamay sy miraikidraikitra ny hodiny sy ny volony. Ary avy eo dia norakofan’izy ireo volomborona izy ka nitsoaka izy ireo.
Les saints, 1:152
Rehefa lasa ireo lehilahy ireo dia nandringaringa niverina tany an-trano i Joseph. Natahotra i Emma rehefa nahita an’i Joseph. Nandre ny zava-nitranga ireo namana nipetraka manodidina ary nihazakazaka nanampy. Nokikisan’i Emma hiala tamin’ny hoditr’i Joseph ilay tara. Nandritra ny tohin’ny alina dia nanampy tamin’ny fikarakarana an’i Joseph sy i Sidney i Emma sy ireo namany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5; Les saints, 1:153
Ny ampitson’io dia mbola tao anatin’ny fanaintainana be i Joseph. Saingy niakanjo izy ary nampianatra vondron’olona momba an’i Jesoa Kristy. Nihaino azy nampianatra ny sasany tamin’ireo lehilahy izay nanafika azy. Taty aoriana tamin’io andro io dia nanao batisa olona telo i Joseph. Nanohy nanao ny asan’ny Tompo izy, na dia niezaka nanakana azy aza ny olona.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8; Les saints, 1:153