“Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay”, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay”, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1843–1846
Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay
Fehezin’ny herin’i Jesoa Kristy
Tamin’i Emma sy i Joseph nivady dia nino izy ireo fa hifarana ny fanambadian’izy ireo rehefa maty izy ireo. Toy izany avokoa ny fanambadiana rehetra tamin’izany. Saingy nilaza tamin’i Joseph ny Tompo avy eo fa afaka ny haharitra mandrakizay ny fanambadiana sy ny fianakaviana.
Les saints, 1:413
Nampianatra an’i Joseph momba ny fanambadiana mandrakizay ny Tompo. Afaka manao fanekempihavanana amin’ny Tompo ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana. Raha mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo dia mampanantena ny Tompo fa haharitra mandrakizay ny fanambadian’izy ireo. Izany no antsoina hoe voafehy. Tsy ela dia nofehezina ho mandrakizay i Joseph sy i Emma.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7, 19–24; Les saints, 1:413, 432–33, 481–82, 492, 502–3
Nianatra ihany koa i Joseph fa rehefa voafehy ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia voafehy amin’izy ireo koa ny zanak’izy ireo. Noho ny herin’i Jesoa Kristy dia afaka ny haharitra mandrakizay ny fianakavian’izy ireo. Rehefa nilaza tamin’ny Olomasina momba izany fitahiana izany i Joseph dia tena faly izy ireo! Tsy andrin’izy ireo ny hofehezina miaraka.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2; 132:6–7; Les saints, 1:492–93, 580
Nampianatra ny Tompo tatỳ aoriana fa tokony hatao any amin’ny tempoly ny famehezana. Niasa mafy ireo Olomasina mba hamitana ny tempoly tao Nauvoo mba hahafahan’izy ireo hofehezina miaraka. Nony vonona ny tempoly dia fianakaviana maro no nofehezina. Nofehezina tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviana izay efa nodimandry mihitsy aza izy ireo. Feno fankasitrahana izy ireo noho io fitahiana io!
Les saints, 1:579–80