“Nankany Nauvoo i Jane Manning”, Tantara amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nankany Nauvoo i Jane Manning,”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1841–1843
Nankany Nauvoo i Jane Manning
Mandeha amin’ny finoana ny Tompo
Nipetraka tany amin’ny toerana iray izay misy olona mankahala azy ireo i Jane Manning sy ny fianakaviany ary nanaovan’izy ireo toetra ratsy izy ireo noho ny volo-kodiny. Indray andro dia naheno misiônera iray nampianatra i Jane. Fantany fa marina ny hafatra nentiny. Ny alahady manaraka dia natao batisa izy.
Les Saints1:500–501
Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana koa ny fianakavian’i Jane. Tian’ny Tompo hiara-hivondrona tao Nauvoo ireo Olomasina. Tia ny Tompo i Jane. Te hiaraka tamin’ireo Olomasina hafa izy sy ny fianakaviany. Noho izany dia nanomboka ny diany nankany Nauvoo izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25; Les Saints1:501
Nisy fandehanana an-tsambo ny ampahany tamin’ny dian’izy ireo. Ny ankamaroan’ny olona tao amin’ilay sambo dia afaka nandoa ny saran’ny dia tany amin’ny faran’ilay dia. Saingy nisy lehilahy sasantsasany nilaza tamin’ny fianakavian’i Jane fa tsy maintsy nandoa vola tany am-piandohana izy ireo tany. Tsy ampy ny volan’izy ireo. Nasain’ireo lehilahy niala tao anatin’ilay sambo izy ireo ka lasa ilay sambo, tsy nitondra azy ireo.
Les saints, 1:501
Tsy maintsy mbola nanao dia 1.300 kilaometatra ny fianakavian’i Jane. Tsy maintsy niampita renirano lalina iray izay tsy nisy tetezana izy ireo. Tsy maintsy natory tany an-kalamanjana izy ireo. Mazàna no tena nangatsiaka ny ririnina. Saingy tapa-kevitra ny ho any Nauvoo ny fianakavian’i Jane. Nankahery ny tenany izy ireo tamin’ny alalan’ny fihirana nandritra ny dia an-tongotra nataony.
Les saints, 1:501, 505–6
Nandeha an-tongotra teny foana i Jane sy ny fianakaviany mandra-paha lany ny faladian-kiraron’izy ireo ka naratra ny tongotr’izy ireo. Saingy rehefa nivavaka nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra izy ireo dia nositraniny ny tongotr’izy ireo.
Les saints, 1:505
Nanampy ireo olona nifanena tamin’izy ireo teny nandritra ny diany izy ireo. Nanampy tamin’ny fanasitranana zaza marary mihitsy aza izy ireo noho ny finoan’izy ireo.
Les saints, 1:505–6
Farany dia tonga tao Nauvoo i Jane sy ny fianakaviany! Reraka izy ireo ary nila toerana hijanona. Noho izany dia nandeha tany amin’ny tranon’i Emma sy i Joseph izy ireo. Rehefa nandre ny zavatra rehetra niainan’izy ireo i Joseph dia hoy izy tamin’i Jane hoe: “Hitahy anao Andriamanitra. Isan’ny namanay ianareo izao.” Nanasa an’i Jane hiara-hipetraka tamin’izy ireo i Joseph sy i Emma.
Les saints; 1:74