Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny asa fitoriana nataon’i Parley tany Kanadà


“Ny asa fitoriana nataon’i Parley tany Kanadà”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Ny asa fitoriana nataon’i Parley tany Kanadà”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aprily–jona 1836

Ny asa fitoriana nataon’i Parley tany Kanadà

Maneho finoana amin’ireo fampanantenan’ny Tompo

Mpitarika ny Fiangonana mandeha eo akaikin’ny Tempolin’i Kirtland.

Fotoana fohy taorian’ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia maro ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana no nandeha nitory ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81; 109:22–23; 112:28–29; Les saints, 1:249

Parley Pratt mipetraka eo an-tongom-pandrianan’ny vadiny.

Tia mizara ny filazantsara i Parley Pratt. Saingy nihevitra izy fa tokony hijanona ao an-trano satria narary ny vadiny, izay nantsoina hoe Thankful. Tsy nanam-bola firy ihany koa izy ireo.

Les saints, 1:249

Heber Kimball manome tsodrano an’i Parley sy i Thankful.

Tonga nitsidika an’i Parley i Heber Kimball, namany sy ny iray amin’ireo Apôstôly. Nanome tsodrano an’i Parley izy ary nilaza fa tokony hitory ny filazantsara any Kanadà. Tao anatin’ilay tsodrano dia nampanantena i Heber fa hihatsara i Thankful. Nampanantena izy fa hanana zanakalahy iray izy ary hanampy an’i Parley hahazo ny vola ilainy ny Tompo.

Les saints1:249–50

I Parley manao veloma an’i Thankful.

Efa nivady nandritra ny 10 taona i Parley sy Thankful. Tsy nanan-janaka izy ireo. Saingy nanana finoana an’ireo fampanantenan’ny Tompo izy ireo. Na dia ho sarotra aza ny ho lavitra an’i Thankful rehefa any Kanadà, dia nandao azy i Parley handeha hizara ny filazantsara.

Les saints1:250

I Parley mandritra ny asa fitoriany tany Kanadà.

Tany Kanadà i Parley dia nitady toerana ahafahany mampianatra olona. Nanontany izy raha afaka mampianatra any am-piangonana sy any amin’ireo trano hafa. Niteny tsia avokoa ny olona.

Les saints1:252–53

I Parley mihaona amin’i John sy Leonora i Taylor.

Avy eo dia nihaona tamin’i John sy i Leonora Taylor i Parley. Tia an’i Jesoa Kristy sy ny Baiboly izy ireo. Nanontany an’i Parley i John raha toa ka tsy mitovy amin’ny Baiboly ny zavatra nampianariny.

Les saints1:252–53

Miresaka i Parley sy i Jaona.

Nilaza i Parley fa nampianatra momba an’i Jesoa, ny mpaminany, sy ny batisa ary ny Fanahy Masina izy. Tao amin’ny Baiboly avokoa ireo zavatra rehetra ireo. Nanontany i John hoe: “Ahoana ny momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna?” Nilaza tamin’i John i Parley fa fantany fa marina ny Bokin’i Môrmôna, tahaka ny Baiboly ihany, ary Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra.

Les saints1:253

I Parley mampianatra andiana Olomasina.

Nino ny zavatra nolazain’i Parley i John. Namaky ny Bokin’i Môrmôna izy, ary nino fa marina izany. Nanasa an’i Joseph sy i Mercy, sy i Mary Fielding naman’izy ireo ary olon-kafa i John sy Leonora mba hihaino an’i Parley mampianatra. Maro ny olona natao batisa ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Les saints1:254–55

I Parley manao veloma an’ireo namany tany Kanadà.

Faly i Parley, saingy naniry ny hody any amin’i Thankful any Kirtland. Nanao veloma an’ireo namany vaovao tany Kanadà izy. Rehefa nandray ny tanan’izy ireo izy dia nomen’izy ireo vola izy mba hanampiana hikarakarana ny fianakaviany.

Les saints1:255–56

I Parley sy i Thankful, samy any Kanadà.

Rehefa tafody i Parley dia hitany fa efa nihatsara i Thankful. Nahazo Bokin’i Môrmôna maro kokoa i Parley ary niverina tany Kanadà mba hanohy hizara ny filazantsara. Tamin’ity indray mitoraka ity dia niaraka taminy i Thankful.

Les saints, 1:256

I Parley sy i Thankful mifanoroka.

Vetivety dia nahita i Thankful sy i Parley fa hanana zazakely izy ireo. Tsaroan’izy ireo ny tsodrano nomen’i Heber an’i Parley. Nahatsapa izy ireo fa tanteraka ny zavatra rehetra nampanantenain’ny Tompo tao anatin’izany fitahiana izany.

Les saints, 1:256