“Fampakarana vady maro,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Fampakarana vady maro,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
1831–1890
Fampakarana vady maro
Didy iray natao ho an’ny fotoana voafaritra
Teo am-pandalinana ny Baiboly ny Mpaminany Joseph dia namaky mikasika ireo mpaminany toa an’i Abrahama sy i Mosesy izay nanam-bady mihoatra ny iray. Nanana fanontaniana maro i Joseph. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hivavaka sy hangataka amin’ny Tompo izy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:1; Olomasina, 1:121, 503
Nilaza ny Tompo fa mazàna ny lehilahy iray dia tokony hanana vady iray ihany. Saingy indraindray ny Tompo dia nandidy lehilahy iray mba hanambady vady mihoatra ny iray. Nantsoina hoe fampakarana vady maro izany. Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa ny vahoakany dia tsy tokony hanao fampakarana vady maro raha tsy mandidy izany Izy.
Jakôba 2:27–30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34–39; Olomasina, 1:121, 290–91, 489–90, 503
Taona maro taty aoriana dia nasain’ny Tompo i Joseph sy ireo Olomasina hafa mba hanao fampakarana vady maro. Tsy mora ny niaina io didy io.
Olomasina, 1:290–91, 444–46
Namoaka lalàna manohitra ny fampakarana vady maro ny governemanta. Nampidirina am-ponja ny Olomasina sasany, anisan’izany ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana.
Olomasina, 2:501–4
Tamin’ny taona 1890 ny Tompo dia nilaza tamin’i Wilford Woodruff, Filohan’ny Fiangonana, fa ny lehilahy dia tsy tokony hanambady vady mihoatra ny iray intsony. Nizara io didy io tamin’ny Olomasina ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Mbola didin’ny Tompo izany ankehitriny: ny lehilahy iray dia tokony hanambady vady tokana ihany.
Filazana Ôfisialy 1; Olomasina, 2:598–601, 607–9