Tantara ao amin’ny soratra masina
Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph i Newel sy i Ann Whitney


“Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph i Newel sy i Ann Whitney”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph i Newel sy i Ann Whitney”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ôktôbra 1830–Febroary 1831

Nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph i Newel sy i Ann Whitney

Novalian’ny Tompo ny vavaka tamim-pinoana nataon’i Newel sy i Ann

Mivavaka i Ann sy i Newel Whitney.

I Ann sy i Newel Whitney dia tompona trano fivarotana iray tao Kirtland, Ohio. Tsy nihalehibe tamin’ny fankanesana tany am-piangonana na nianatra momban’ ny Tompo i Ann, saingy naniry ny hahafantatra Azy izy. Rehefa nivady izy sy i Newel dia nivavaka imbetsaka izy ireo ary nangataka mba hitarihan’ny Tompo Azy ireo.

Les saints, 1:111–12

Nahazo fahitana i Ann sy i Newel.

Indray alina nandritra ny vavaka nataon’izy ireo dia nahita fahitana i Ann sy i Newel. Tao anatin’ilay fahitana dia nisy rahona nitoetra teo ambonin’ny tranon’izy ireo. Feno ny Fanahin’ Andriamanitra izy ireo. Nanarona azy ireo ilay rahona. Avy eo dia nandre feo avy tany an-danitra izy ireo. Izay nilaza hoe: “Miomana handray ny tenin’ ny Tompo fa ho avy izany.”

Les saints, 1:111

I Ann, mianatra momba ny filazantsara tamin’i Parley Pratt.

Fotoana fohy taorian’izay dia tonga tao Kirtland i Parley Pratt. Nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy sy ireo namany. Raha vantany vao nandre ny zavatra nampianarin’izy ireo i Ann dia fantany fa marina izany. Nody tany an-trano izy mba hizara ny vaovao tamin’i Newel. Tsy ela dia natao batisa izy ireo.

Les saints, 1:112

I Ann sy i Newel mihaona amin’i Joseph sy i Emma Smith.

Roa volana taty aoriana dia nisy lehilahy iray sy vehivavy iray tonga tao amin’ny trano fivarotan’i Newel. Tsy fantatr’i Newel izy ireo fa nandray ny tanan’i Newel kosa ilay lehilahy ary niantso an’i Newel tamin’ny anarany. Hoy ilay lehilahy hoe: “Izaho no Joseph mpaminany.” Nanazava izy fa namaly ny vavaka nataon’i Newel ny Tompo. Nandefa an’i Emma sy i Joseph izy mba hihaona amin’i Ann sy i Newel.

Les saints, 1:113

Manasa an’i Joseph sy i Emma Smith hijanona miaraka amin’izy ireo i Ann sy i Newel.

Fantatr’i Newel sy i Ann fa marina ny fahitan’izy ireo. Nangataka an’i Joseph sy i Emma izy ireo mba hijanona miaraka amin’izy ireo ao an-tranony. Tia an’i Jesoa sy ny filazantsarany i Ann sy i Newel. Nomen’izy ireo an’ny Olomasina sy ny Fiangonan’ny Mpamonjy ny zava-drehetra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:23–27, 34–42; Les saints, 1:114