“Ny fianakaviana Martins,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Ny fianakaviana Martins,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Aprily 1972–Nôvambra 1978
Ny fianakaviana Martins
Miandry ireo fitahian’ny Tompo
Nandeha fiara nody avy niasa tany Rio de Janeiro, Brésil i Helvécio Martins. Hipoky ny fiara ilay lalana ka tsy nisy afaka nihetsika. Nieritreritra ny fiainany i Helvécio. Nanana asa tsara izy. Tiany i Rudá vadiny mbamin’i Marcus sy i Marisa zanany roa. Saingy nahatsapa izy fa nisy zavatra banga.
Olomasina, 4:229–30
Nivoaka avy tao anaty fiara i Helvécio ary nanomboka nivavaka. “Ry Andriamanitro,” hoy izy, “fantatro fa misy ianao any ho any, saingy tsy fantatro hoe aiza.” Nilaza tamin’ny Ray any An-danitra izy fa misy zavatra tadiavin’ny fianakaviany, ary nila ny fanampiany izy ireo. Avy eo dia niverina tao anaty fiarany i Helvécio dia nody.
Olomasina, 4:230
Taty aoriana dia nandefa misiônera avy any Etazonia ny Tompo. Nitsidika ny fianakaviana Martins izy ireo. Tsikaritr’i Helvécio fa nitondra fanahy feno fiadanana tao an-tranony izy ireo. Fantany fa tamin’izany fotoana izany dia matetika ireo olona mainty hoditra no tsy noraisina tsara tany Etazonia. Nanontany izy hoe: “Ahoana no fomba hitondran’ny antokom-pinoanareo ny mainty hoditra?”
Olomasina, 4:230–31
Nanazava ireo misiônera fa azo atao batisa avokoa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Saingy tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nihazona ny fisoronana na nandray ny ankamaroan’ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ny olona mainty hoditra manana razambe avy any Afrika. Nanana fanontaniana maro hafa i Helvécio sy i Rudá. Nanao izay vitany ireo misiônera hamaliana azy ireny.
Olomasina, 4:231
Nandritra ny taona maro dia nivavaka ireo mpaminany mba hahafantarana ny fotoana ahafahana manome ny fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly ho an’ny olona rehetra.
Olomasina, 4:71
Nanapa-kevitra ny hanandrana handeha hiangona i Helvécio sy i Rudá. Be fitiavana sy tsara fanahy ireo Olomasina tao. Tian’ny fianakaviana Martins ny zavatra nianarany tany am-piangonana.
Olomasina, 4:231–32
Indray andro, teny an-dalana hody avy niangona dia nilaza tamin’ny fianakaviany i Marcus fa tsikariny fa toa faly kokoa izy ireo. “Fantatro hoe inona no nahatonga an’izany,” hoy i Marcus. “Ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.” Fantatr’ireo hafa tao amin’ny fianakaviana fa marina ny voalazan’i Marcus. Nanapa-kevitra ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana izy ireo.
Olomasina, 4:232
Taona maro tatỳ aoriana dia niasa mafy nanangana tempoly ireo Olomasina tany Brésil. Nientanentana ny fianakaviana Martins, saingy nalahelo ihany koa izy ireo. Tsy ho afaka hiditra ny tempoly izy ireo aorian’ny fanokanana izany. “Aza manahy,” hoy i Helvécio tamin’i Rudá. “Mahafantatra ny zava-drehetra ny Tompo.”
Olomasina, 4:293–94
Tsy mora ny nijanona ho mahatoky. Nihomehezan’ny olona ny fianakaviana Martins. Na ireo namany aza dia tsy nahazo ny antony nijanon’izy ireo tao amin’ny Fiangonana. Saingy fantatr’i Helvécio sy ny fianakaviany fa io no Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Olomasina, 4:251–52
Indray andro rehefa nody avy niasa i Helvécio dia hoy i Rudá: “Manana vaovao aho, vaovao tsara be!“ Taorian’ny fifadian-kanina sy vavaka be dia nahazo fanambarana ny mpaminany, Spencer W. Kimball. Nilaza taminy Andriamanitra fa na iza na iza, na inona na inona lokon’ny hodiny, dia afaka mahazo ny fitahiana rehetra avy amin’ny fisoronana sy ny tempoly.
Filazana Ôfisialy 2; Olomasina, 4:318–19
Niandry ela tokoa ny fianakaviana Martins sy ny maro hafa. Ankehitriny dia tapitra ny fiandrasana! Nandray ny fisoronana i Helvécio sy i Marcus. Nofehezina ho fianakaviana tao amin’ny tempoly i Helvécio sy i Rudá ary ireo zanany. Ankehitriny dia afaka mandray ireo fitahian’ny filazantsara rehetra izy ireo.
Olomasina, 4:319–21