Tantara ao amin’ny soratra masina
Nanompo ny Tompo i Telii


“Nanompo ny Tompo i Telii,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Nanompo ny Tompo i Telii,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aprily 1844–martsa 1852

Nanompo ny Tompo i Telii

Manorina ny Fiangonana any Tubuai

I Telii sy ny hafa mijery ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany tonga.

Nisy vehivavy iray nantsoina hoe Telii nipetraka tany amin’ny nosy kely iray antsoina hoe Tubuai. Indraindray ireo misiônera avy amin’ny fiangonana samihafa dia nitsidika an’i Tubuai, saingy tsy mijanona ela izy ireo raha ny mahazatra. Indray andro tamin’ny 1844, dia faly i Telii raha nandre fa tonga tany Tubuai ireo misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1; 133:8

Nanasa ireo misiônera hipetraka ao amin’izy ireo i Telii sy i Nabota.

An-dalana ho any amin’ny nosy lehibe kokoa ireo misiônera. Saingy tian’ny olona tao Tubuai hijanona sy hampianatra ny filazantsara izy ireo. Nilaza i Telii sy i Nabota vadiny fa afaka mipetraka ao an-tranony ireo misiônera. Nanaiky ny iray tamin’ireo misiônera, i Addison Pratt.

Olomasina; 1:573–74

I Telii sy i Nabota miara-misakafo amin’ny iray amin’ireo misiônera.

Nizara ny zavatra rehetra nananany tamin’i Addison i Telii sy i Nabota. Nampianarin’izy ireo hiteny ny fitenin’izy ireo izy. Nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy i Addison.

I Telii atao batisa ary i Nabota kosa mijery.

Nilaza tamin’i Telii sy i Nabota ny Fanahy Masina fa marina ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Izy ireo no olona voalohany tao Tubuai natao batisa.

Olomasina; 1:573–74

I Telii sy ny hafa mizara ny filazantsara amin’ny olona any Tubuai.

Lasa mpinamana be i Telii sy i Nabota ary i Addison. Niara-nandeha izy ireo ary nampianatra ny filazantsara tany Tubuai sy ireo nosy hafa. Rehefa niezaka niteny tamin’ny Olomasina tany Tubuai ny olona fa tsy tokony ho niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo dia nampianatra azy ireo avy ao amin’ny soratra masina i Telii fa marina ny Fiangonana.

Olomasina, 2:27, 45

I Telii sy i Nabota ary Olomasina hafa miara-mihira.

Te hanampy olona maro kokoa tany Tubuai hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Telii. Namoron-kira avy tamin’ny soratra masina izy ary nanasa vondron’olona maro mba hiara-hihira aminy nandritra ny takariva. Ny fihirana ny hiran’i Telii dia nanampy olona maro hianatra avy amin’ny soratra masina sy hahatadidy ny zavatra nianarany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12

I Telii sy ny fianakaviany mandray ny fianakavian’i Addison.

Taona maro taty aoriana dia nisy misiônera fanampiny tonga tany Tubuai, anisan’izany ny fianakavian’i Addison. Nandray azy ireo tao an-tranony i Telii. Niara-niasa tamin’i Louisa vadin’i Addison izy mba hanompo ireo vehivavy tao Tubuai.

Olomasina, 2:133–34

I Telii sy ny fianakaviany manohy mizara ny filazantsara tamin’ny hafa.

Kelikely taorian’izay dia voatery nandao an’i Tubuai sy ireo nosy hafa ireo misiônera. Saingy nanohy nampianatra sy nitarika ny Olomasina i Telii. Noho ny ohatra nasehon’i Telii sy ny fanompoany dia nijanona ho matanjaka ny Fiangonana tao Tubuai.

Olomasina, 2:150–51