Tantara ao amin’ny soratra masina
Nandray ireo Fanalahidin’ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver


“Nandray ireo Fanalahidin’ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Nandray ireo Fanalahidin’ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aprily 1836

Nandray ireo Fanalahidin’ny Fisoronana i Joseph sy i Oliver

Nitsidika ny Tempolin’i Kirtland i Jesoa Kristy sy ireo anjely

I Joseph Smith mizara ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo Olomasina tao amin’ny Tempolin’i Kirtland.

Herinandro taorian’ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia Olomasina an’arivony no nivory tao amin’ny tempoly mba hitsaoka ny Mpamonjy. Alahadin’ny Paska tamin’izay. Nanolotra ny fanasan’ny Tompo ho an’ny Olomasina i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary ireo Apôstôly Roambinifolo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, sasin-tenin’ny fizarana; Olomasina, 1:239

I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mivavaka ao amin’ny tempolin’i Kirtland.

Taorian’ny fanasan’ny Tompo dia nahita toerana mangina tao amin’ny tempoly, tao ambadiky ny lamba manasaraka ny efitra, i Joseph sy i Oliver mba hivavahana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, sasin-tenin’ny fizarana; Olomasina, 1:239

I Jesoa miseho amin’i Joseph sy i Oliver.

Rehefa vita ny vavaka nataon’i izy ireo dia nitraka izy ireo. Nijoro teo anoloan’izy ireo i Jesoa Kristy! Fantany fa niasa mafy ny Olomasina mba hananganana ny tempoly. “Efa nekeko ity trano ity,” hoy Izy. Nilaza tamin’i Joseph sy i Oliver i Jesoa fa hitondra fifaliana lehibe ho an’ny olona maro ireo fitahian’ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10

I Mosesy miseho amin’i Joseph sy i Oliver.

Taorian’ny nandaozan’i Jesoa dia niseho tamin’i Joseph sy i Oliver i Mosesy mpaminana ao amin’ny Testamenta Taloha. Nomeny azy ireo ny fanalahidin’ny fisoronana ho fanangonana an’i Isiraely. Nidika izany fa afaka mitarika ny asa fitorina ny filazantsara izy ireo. Afaka mandefa misiônera manerana izao tontolo izao izy ireo mba hitondra olona ho ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11

I Elià miseho amin’i Joseph sy i Oliver.

Avy eo dia niseho ny mpaminany Elià. Nomeny an’i Joseph sy i Oliver ireo fanalahidy mba hamerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama. Midika izany fa afaka mandray avy amin’ny Tompo ny fanekempihavanana izay noraisin’i Abrahama ny Olomasina. Hanana hery hitondrana ny filazantsara sy ireo fitahian’ Andriamanitra ho any amin’ny olona na aiza na aiza izy ireo mandritra ny taona maro ho avy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12

I Elia miseho amin’i Joseph sy i Oliver.

Niseho ny mpaminany Elia nony farany. Nomeny an’i Joseph sy i Oliver ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hamehezana, na hampiraisana, fianakaviana ho mandrakizay. Ny asa nataon’ireo Olomasina tany amin’ny tempoly dia ho ekena any an-danitra. Ankehitriny ny Fiangonana dia nanana hery hanao ny asan’ny Mpamonjy sy hiomanana amin’ny fiverenany eto an-tany indray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16