Tantara ao amin’ny soratra masina
I Hiram Page sy ny fanambarana


“I Hiram Page sy ny fanambarana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“I Hiram Page sy ny fanambarana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Septambra 1830

I Hiram Page sy ny fanambarana

Mianatra ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ny Fiangonany ny Olomasina

I Hiram Page mizara ny hafany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Naman’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Hiram Page. Iray tamin’ireo vavolombelona valo an’ireo takela-bolamena ihany koa izy. Nanana vato i Hiram, ary nino izy fa nampiasa izany Andriamanitra mba hanomezana azy hafatra na fanambarana ho an’ny Fiangonana. Nino i Oliver sy ireo Olomasina hafa fa avy amin’ Andriamanitra ireo fanambaran’i Hiram.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, sasin-tenin’ny fizarana; Olomasina, 1:97

I Joseph Smith sy ny hafa mihaino ny fampianaran’i Hiram.

Toy ny soratra masina ireo fanambaran’i Hiram. Saingy tsy nitovy tamin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly izy ireo. Tsy nitovy tamin’ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph ihany koa izy ireo. Tsy fantatr’i Joseph tsara izay tokony hataony.

Olomasina, 1:97

I Joseph nivavaka mba hahazo fitarihana.

Niari-tory i Joseph ny saika ho ny alina manontolo nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra. Niahiahy izy fandrao manao zavatra tsy tokony ho izy sy manafintohina ireo namany.

Olomasina, 1:97

I Joseph misaintsaina eo am-pandriana.

Tian’i Joseph hikatsaka fanambarana ho an’ny fiainan’izy ireo manokana ny olona. Saingy mety hampisafotofoto ny saina raha toa ka niezaka nandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo ny olona rehetra.

Olomasina, 1:97

I Joseph nizara fanambarana tamin’i Oliver Cowdery.

Nanome fanambarana an’i Joseph ny Tompo nony farany mba hozaraina amin’i Oliver. Nilaza ny Tompo fa ny mpaminany irery ihany no afaka mandray fanambarana sy didy ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Nilaza Izy fa tokony hampianatra izany an’i Hiram i Oliver.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 6–13

I Oliver nizara ilay fanambarana tamin’i Hiram Page.

Tian’ny Tompo ho takatr’i Hiram fa afaka mandray fanambarana ho an’ny fiainany manokana izy. Saingy ho tonga amin’ny mpaminanin’ny Tompo ny fanambarana ho an’ny Fiangonana. Nihaino an’i Oliver i Hiram ary nibebaka. Takatr’ireo Olomasina tsaratsara kokoa araka izany ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany.

Olomasina, 1:98