Tantara ao amin’ny soratra masina
I Parley sy i Thankful Pratt


“I Parley sy i Thankful Pratt”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“I Parley sy i Thankful Pratt”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aogositra–Septambra 1830

I Parley sy i Thankful Pratt

Finoana hanaraka ny Fanahy

I Parley sy i Thankful Pratt tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’izy ireo.

Mpiompy sy mpamboly tany Ohio i Parley Pratt sy i Thankful Pratt. Indray andro dia nahatsapa ny Fanahy niteny taminy i Parley handao ny tranony mba hampianatra ny olona momba ny Baiboly.

Olomasina, 1:92

I Parley sy i Thankful lasa nampianatra momba ny Baiboly.

Namidin’i Parley sy i Thankful ny toeram-piompiana sy fambolen’izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ny toerana halehany, saingy natoky izy ireo fa hitahy azy ireo Andriamanitra noho ny fanompoany Azy.

Olomasina, 1:92

I Parley niala tao amin’ilay sambo tao New York.

Naka ankanjo sy vola i Parley sy i Thankful ary nandeha sambo. Rehefa nandeha namakivaky an’i New York izy ireo dia niteny tamin’i Parley ny Fanahy mba hiala tao amin’ilay sambo. Nangataka an’i Thankful i Parley mba hanohy ny diany irery. Nampanantena izy fa hiverina any aminy tsy ho ela. Nahatsapa izy fa nisy zavatra tian’ Andriamanitra hataony tany New York.

Olomasina, 1:92

I Parley nianatra momba ny Bokin’i Môrmôna

Nandeha an-tongotra lavitra i Parley. Nony farany dia tonga tao an-tranona mpitory teny iray izy. Nilaza tamin’i Parley mikasika ny boky hafahafa iray izay nomen’ny olona iray azy ilay mpitory teny. Avy amin’ny takela-bolamena izany ary nosoratana taloha ela be. Nantsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna izany. Nisy zatovolahy iray tany New York nandika izany tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra.

Olomasina, 1:92

I Parley nandray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

Liana tokoa i Parley. Nasehon’ilay mpitory teny an’i Parley ilay boky. Nientanentana ery i Parley nanokatra izany ary nanomboka namaky. Ora maro no lasa, saingy tsy afaka nitsahatra namaky izy, na dia ny hihinana na hatory akory aza. Nilaza taminy ny Fanahin’ny Tompo fa marina izany.

Olomasina, 1:92–93

I Parley sy i Hyrum Smith niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna.

Tena tian’i Parley tokoa ny Bokin’i Môrmôna, ka naniry ny hahita ilay lehilahy nandika izany izy. Nandeha an-tongotra tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny fianakaviana Smith izy, izay toerana nihaonany tamin’i Hyrum, rahalahin’i Joseph. Niresaka nandritra ny alina izy ireo. Nilaza tamin’i Parley i Hyrum fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Nomeny an’i Parley ny tahadikan’ilay boky.

Olomasina, 1:93

I Parley nanohy ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna

Rehefa nanohy namaky izy dia nahafantatra i Parley fa nitsidika ny vahoaka tany Amerika i Jesoa Kristy taloha ela be. Hitan’i Parley fa ny Bokin’i Môrmôna dia sarobidy lavitra noho ny haren’izao tontolo izao rehetra. Tsy andriny ny hiverina any amin’i Thankful sy hizara aminy ny zavatra nianarany.

Olomasina, 1:93; 3 Nefia 11:1–12

I Parley nizara ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny Thankful sy ny fianakaviany.

Nizara tamin’i Thankful sy ireo olona hafa tao amin’ny fianakaviany momba ny Bokin’i Môrmôna i Parley. Nolazainy azy ireo ny zavatra ampianarin’izany momba an’i Jesoa Kristy. Faly i Thankful fa nanaraka ny Fanahy i Parley ary nahita ilay asa tian’ Andriamanitra hataony. Tahaka an’i Parley dia nianatra ho an’ny tenany manokana koa i Thankful fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Olomasina, 1:98–99