“I Sidney sy Phebe i Rigdon”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“I Sidney sy i Phebe Rigdon”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ôktôbra–Nôvambra 1830
I Sidney sy i Phebe Rigdon
Manova ny fiainan’izy ireo mba hanaiky ny filazantsara
Nikasa ny hizara ny filazantsara tamin’ireo Indiana Amerikana i Parley Pratt sy ireo hafa. Teny an-dalana dia naniry ny hijanona ary hamangy an’i Sidney Rigdon namany i Parley. Mpitory teny i Sidney izay nampianatra an’i Parley momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Baiboly. Te hampianatra an’i Sidney momba an’i Jesoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Parley ankehitriny.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32; Olomasina, 1:99
Nilaza tamin’i Sidney momba ny Bokin’i Môrmôna i Parley ary nanasa azy hamaky izany. Nisalasala i Sidney, saingy satria namany i Parley dia nampanantena izy fa hanao izany.
Olomasina, 1:100
Rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna i Sidney dia fantany fa avy amin’ Andriamanitra izany. Nozarainy tamin’i Phebe vadiny ny zavatra tsapany.
Olomasina, 1:101
Saingy tsy azon’i Sidney izay tokony hatao manaraka. Raha hatao batisa izy dia ho very ny asany amin’ny maha-mpitory azy ao amin’ny fiangonany. Ahoana no ahafahany mikarakara an’i Phebe sy ireo zanany enina? Inona no ho tsapan’ireo olona ao amin’ny fiangonany? Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izy mba hahazo fanampiana, ary nanana fahatsapana fiadanana izy.
Olomasina, 1:101; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23
Nanontany an’i Phebe i Sidney raha vonona ny hamoy ny fiainany miadana izy ary hiaraka aminy hiditra ho mpikamban’ilay fiangonana vaovao. “Faniriako ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra,” hoy izy, “na ho velona na ho faty.” Nanapa-kevitra ny hatao batisa izy ireo.
Olomasina, 1:101
Taty aoriana dia nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith i Sidney. Nomen’ny Tompo hafatra tamin’ny alalan’i Joseph i Sidney. Nilaza izy fa nahita ireo zavatra tsara nataon’i Sidney ary nandre ny vavaka nataony. Nilaza tamin’i Sidney ny Tompo fa manana asa lehibe hataony Izy. Hanao zavatra lehibe i Sidney.