“Ny voahangy lafo vidy”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Ny voahangy lafo vidy”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Jolay 1835–Martsa 1842
Ny voahangy lafo vidy
Soratra masina misimisy kokoa avy amin’ny Tompo
Indray andro dia nisy lehilahy iray tonga tao Kirtland niaraka tamin’ny faty maina avy tany Egypta. Ilay faty maina dia niaraka tamina horonan-taratasy na taratasy efa tranainy miorongorona. Nisy soratra Egyptiana ilay horonan-taratasy. Nasehon’ilay lehilahy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izany. Tena liana tamin’ilay soratra i Joseph.
Les saints1:219–20
Nisy namana sasany izay nanampy an’i Joseph hividy ireo faty maina sy ireo horonan-taratasy. Rehefa nandalina ny soratra i Joseph dia nambaran’ny Tompo taminy ireo rakitsoratra fahiny avy tamin’i Abrahama, mpaminany iray tao amin’ny Baiboly. Niaraka tamin’ny fanampian’ireo namana toa an’i Oliver Cowdery dia nanoratra ny zavatra nampianarin’ny Tompo azy momba ny fampianaran’i Abrahama i Joseph.
Les saints, 1:220
Nahita fahitana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, niaraka tamin’ny Ray any An-danitra i Abrahama. Hitany fa i Jesoa dia voafidy ho Mpamonjy antsika. Nianatra momba ny fahariana izao tontolo izao ihany koa i Abrahama. Faly ireo Olomasina fa manana ireo fampianarana avy amin’i Abrahama ireo. Faly izy ireo fa naniry ny hampianatra azy ireo bebe kokoa ny Tompo.
Abrahama 2:6–11; 3–5; Les saints, 1:220
Ny asasoratr’i Abrahama dia lasa ampahany amin’ny bokin-tsoratra masina iray antsoina hoe Ny voahangy lafo vidy. Io boky io koa dia misy ny soratra avy tamin’i Mosesy, mpaminany iray hafa tao amin’ny Baiboly. Mampianatra fahamarinana izay tsy hita ao amin’ny Baiboly izany. Tian’ny Tompo ho fantatry ny olona ireo fahamarinana ireo ka dia nozarainy tamin’i Joseph Smith.
Ny voahangy lafo vidy koa dia misy ny fijoroana ho vavolombelon’i Joseph Smith sy ireo Fanekem-pinoana 13. Nanoratra ireo zavatra ireo i Joseph Smith mba hilazana amin’izao tontolo izao ny zavatra inoan’ny Olomasin’ ny Andro Farany. Ny voahangy lafo vidy dia boky kely iray, tahaka ny voahangy kely, saingy tena sarobidy izany.