“Nangataka famelan-keloka i Parley”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Nangataka famelan-keloka i Parley”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Janoary–jolay 1837
Nangataka famelan-keloka i Parley
Manorina ny finoany ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny namana iray
Rehefa tonga ny fotoana hiterahan’izy ireo ny zanany dia nody avy tany amin’ny asa fitoriany avy tany Kanadà i Thankful sy Parley. Nanana zazalahy salama tsara izy ireo araka ny nampanantenain’ny Tompo fa ho azon’izy ireo.
Les saints1:270
Nampalahelo fa ora vitsy taorian’ny nahaterahan’ilay zaza dia maty i Thankful. Fantatr’i Parley fa tsy ho afaka ny hikarakara ilay zazakely izy raha tsy misy azy. Nangataka vehivavy iray tao Kirtland izy mba hikarakara ilay zazakely raha niverina tany Kanadà izy mba hamarana ny asa fitoriany.
Les saints1:270
Tany Kirtland dia nanokatra banky i Joseph Smith mba hanangonana vola ho an’ny asan’ Andriamanitra. Nangataka ny olona izy mba hamela ny banky hampiasa ny volan’izy ireo mba hahafahan’ny hafa mindrana izany. Saingy noho ny antony maro dia tsy nanana vola ampy ilay banky ary tsy maintsy nakatona izany. Tsy nahomby koa ireo banky hafa tany Etazonia.
Les saints, 1:260–61, 264–68
Lasa niha-sarotra ny fiainana ho an’ireo Olomasina. Ny sasany very asa ary tsy nanana vola hividianana sakafo na akanjo izy ireo izao. Tezitra tamin’i Joseph ny olona sasany, na dia ny sasany tamin’ireo namany akaiky aza. Nihevitra izy ireo fa tsy mpaminany marina i Joseph satria tsy nahomby ilay banky.
Les saints, 1:264–68, 272–275
Nody avy tany amin’ny asa fitoriana nataony i Parley tamin’ny fotoana nitrangan’izany. Nahatonga ny fiainan’i Parley hiha-sarotra ihany koa ilay olana tamin’ny resaka banky. Tsy hanana vola ampy handoavana ny tranony izy, ary tsy hanana toerana hipetrahana.
Les saints1:270–71
Tezitra tamin’i Joseph koa i Parley amin’izao. Nanoratra taratasy tany amin’i Joseph izy. Nilaza tamin’i Joseph izy fa mbola mino ny Bokin’i Môrmôna. Saingy nilaza zavatra ratsy momba ny Mpaminany ihany koa izy. Nilaza tamin’i Joseph izy fa diso aloha i Joseph nanangana an’ilay banky.
Les saints1:271
Taty aoriana dia tonga tao Kirtland ny sasany tamin’ireo naman’i Parley avy any Kanadà. Nampianatra azy ireo ny filazantsara i Parley, ary faly izy ireo nahita azy indray.
Les saints1:279–80
Saingy taitra ihany koa izy ireo nahita fa very ny finoan’i Parley sy ny maro hafa momba ny naha-mpaminany an’i Joseph Smith.
Les saints1:279–80
Iray tamin’ireo naman’i Parley avy tany Kanadà i John Taylor. Rehefa nahita an’i John i Parley dia nilaza taminy fa tezitra tamin’i Joseph Smith izy. Nilaza tamin’i John izy mba tsy hanaraka an’i Joseph intsony.
Les saints1:280
Nampahatsiahy an’i Parley i John fa fony izy ireo tany Kanadà dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona i Parley fa Joseph Smith dia mpaminany marina. “Manana fijoroana ho vavolombelona mitovy amin’izany aho ankehitriny” hoy i John. “Raha marina ny asa enim-bolana lasa izay dia marina izany ankehitriny. Raha mpaminany i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany dia mbola mpaminany izy amin’izao.”
Les saints, 1:280
Fantatr’i Parley fa marina ny zavatra nolazain’i John namany. Niala tsiny izy ny amin’ny taratasiny feno fahatezerana nalefany tamin’i Joseph. Fantany fa nanao izay tsara indrindra vitany i Joseph mba hanaovana ny asan’ny Tompo. Ireo olana tamin’ny resaka banky dia tsy nidika hoe tsy mpaminany marin’i Jesoa Kristy i Joseph.
Les saints, 1:283
Nandeha tany an-tranon’i Joseph i Parley. Nilaza tamin’i Joseph izy fa niala tsiny izy noho ireo zavatra ratsy nolazainy. Namela an’i Parley i Joseph, nivavaka ho azy ary nitsodrano azy. Nanao asa fitoriana maro kokoa i Parley ary nilaza tamin’ny olona manerana izao tontolo izao fa mpaminan’i Tompo i Joseph Smith.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7–11; Les saints1:283