“Fitotoam-barin’i Hawn,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Fitotoam-barin’i Hawn,” Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ôktôbra 1838–Febroary 1839
Fitotoam-barin’i Hawn
Fanafihana sy fahagagana
11 taona i Willard Smith tamin’izay. Nipetraka tao amin’ny Fitotoam-barin’i Hawn ny fianakaviany niaraka tamin’ny Olomasina hafa. Naniry ny hiangona tsy ho ela miaraka amin’ireo Olomasina ao Far West izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:7–8; Olomasina, 1:347–48
Indray andro i Willard dia niaraka tamin-drainy sy ireo rahalahiny, Sardius sy Alma. Tampoka teo dia naheno basy nipoaka sy hiakiaka izy ireo. Tonga nanafika ny Olomasina ny olona.
Olomasina, 1:348–49
Nihazakazaka nitady fiarovana avokoa ny rehetra. Lehilahy sy ankizy maro no niafina tao amin’ny toeram-piasan’ny mpanefy vỳ. Niditra tao ihany koa ny rain’i Willard sy ireo rahalahiny, saingy tafasaraka tamin’izy ireo i Willard. Niafina tao ambadiky ny hazo nifanaingina izy. Nahare poa-basy nanodidina azy izy.
Olomasina, 1:349, 353
Nihazakazaka nifindrafindra toerana hiafenana i Willard. Nijanona ihany ny poa-basy nony farany. Nandao ny Fitotoam-barin’i Hawn ireo mpanafika.
Olomasina, 1:353
Nankao amin’ilay toeram-piasan’ny mpanefy vỳ i Willard mba hitady ny fianakaviany. Maty ny rainy sy i Sardius. Saingy mbola velona i Alma zandrilahin’i Willard.
Olomasina, 1:353
Voatifitra teo amin’ny valahany i Alma. Naratra mafy izy. Nobatain’i Willard i Alma ary nentiny tany amin’ny lain’ny fianakavian’izy ireo.
Olomasina, 1:353–54
Tsy fantatr’i Amanda renin’i Willard ny fomba hanampiana ny valahan’i Alma. Saingy fantany fa mahafantatra izany Andriamanitra. Nivavaka izy ary naheno feo nilaza taminy marina ny tena tokony hatao.
Olomasina, 1:354
Nanasa ny ratran’i Alma tamin’ny lavenona i Amanda. Avy eo dia nitoto fakan-kazo izy ary napetrany teo amin’ny feriny izany. Nofonosiny tamin’ny lamba ny valahany. “Mitsora tahaka izao ianao dia aza mihetsika”, hoy izy, “ary hanaovan’ny Tompo valahana vaovao ianao.”
Olomasina, 1:354–55
Taty aoriana dia nilaza ny governoran’i Missouri fa tsy maintsy mandao ilay faritany ny Olomasina raha tsy izany dia hovonoina. Saingy mbola tsy nihatsara ny valahan’i Alma. Nivavaka sy nangataka fanampiana tamin’ny Tompo i Amanda. Nisy feo nilaza taminy fa tsy handao ny fianakaviany na oviana na oviana i Jesoa. Nahatsapa i Amanda fa tsy nisy na inona na inona afaka handratra azy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:83; Olomasina, 1:372, 378–79
Fotoana fohy taorian’ny nivavahany dia naheno ireo zanany nikiakiaka i Amanda. Nihazakazaka nijery azy ireo izy, ary rehefa nahita azy ireo izy dia io i Alma nivezivezy nihazakazaka. “Salama aho neny a, salama aho!” hoy izy. Sitrana ny valahany! Fahagagana avy amin’ny Tompo izany. Nandao an’i Missouri i Amanda sy ireo zanany mba hitady toerana azo antoka niaraka tamin’ireo Olomasina ambiny.
Olomasina, 1:379