Tantara ao amin’ny soratra masina
Andron’ny fanasitranana


“Andron’ny fanasitranana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Andron’ny fanasitranana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aprily– jolay 1839

Andron’ny fanasitranana

Mitsodrano ny marary amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra

Mpiambina tranomaizina iray miresaka Joseph Smith.

Rehefa naiditra am-ponja tao Missouri i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nisy mpiambina sasany nitondra azy ireo tany amin’ny fonja iray hafa. Tena tsara fanahy tamin’ireo gadra ireo mpiambina. Indray alina dia nilaza tamin’i Joseph ny mpitarika ireo mpiambina fa hatory izy, ary raha mitsoaka i Joseph sy ireo namany dia tsy hanakana azy ireo izy.

Les saints1:392–93

I Joseph miarahaba ny fianakaviany.

Nitsoaka i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Hitan’izy ireo nipetraka tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Quincy ny fianakavian’izy ireo.

Les saints1:395–96

Olona manolotra sakafo sy fialofana ho an’ny Olomasina.

Tsara fanahy tamin’ireo Olomasina ireo olona tao Quincy. Nomen’izy ireo sakafo sy akanjo ary toerana hijanona ireo Olomasina.

Les saints, 1:377

Nanomboka nanangana an’i Nauvoo ireo Olomasina.

Feno fankasitrahana noho ny hatsaram-panahin’ny olona tao Quincy ireo Olomasina. Saingy fantatr’i Joseph fa mila ny toerany manokana izy ireo mba honenany. Nividy tany izay tsy nisy mpitia ireo mpitarika ny Fiangonana ary nanomboka nifindra tany ireo Olomasina.

Les saints1:399–400

Vehivavy iray mikarakara vehivavy iray mararin’ny tazomoka.

Teo akaikin’ny renirano lehibe iray ilay tany. Tany mando izany sy feno fotaka ary be moka ilay izy. Nampaharary mafy Olomasina maro ireo moka, aretina izay nantsoina hoe tazo. Maty ny sasany tamin’izy ireo.

Les saints1:402

I Joseph Smith sy i Wilford Woodruff manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny zazalahy marary iray.

Rehefa hitan’i Joseph fa maro ireo olona narary dia nanangona mpitarika vitsivitsy tao amin’ny Fiangonana izy ary nangatahiny izy ireo mba handeha hiaraka taminy. Isa-maraina dia nitetitety fianakaviana izy ireo, nitsidika ireo olona marary ary nitsodrano azy ireo. Nampiasa ny herin’i Jesoa Kristy izy ireo mba hanasitranana azy ireo tamin’ny aretiny.

Les saints1:402

I Joseph miresaka amin’i Elijah Fordham.

Anisan’ny olona notsidihan’izy ireo i Elijah Fordham. Narary mafy izy ary nieritreritra ny vadiny fa ho faty tsy ho ela izy. Nanontany an’i Elijah i Joseph raha toa ka manana finoana ny ho sitrana izy.

Les saints1:402

I Elijah milaza amin’i Josefa fa manana finoana ny ho sitrana izy.

Hoy i Elijah hoe: “Matahotra aho fa sao tara loatra izany.” Nanontany an’i Joseph i Elijah raha toa ka nino an’i Jesoa Krsity izy. “Mino Azy aho, ry Rahalahy Joseph,”, hoy izy namaly.

Les saints1:402

I Elijah mitsangana rehefa avy nandray ny tsodranon’ny fisoronana.

Nitsodrano azy tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy i Joseph. Nitsangana i Elijah. Nanasitrana azy i Jesoa! Avy eo dia nanaraka an’i Joseph tany amin’ny trano manaraka i Elijah ary nanampy azy nanome tsodrano olon-kafa izay narary.

Les saints1:402–3