Tantara ao amin’ny soratra masina
Fanambarana ho an’i Emma


“Fanambarana ho an’i Emma”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Fanambarana ho an’i Emma”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Jolay 1830

Fanambarana ho an’i Emma

Nosafidian’ny Tompo hanao ny asany

I Joseph manao veloma an’i Emma.

Niova haingana dia haingana ny fiainana ho an’i Emma sy i Joseph. Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa tokony hitsahatra tsy hifantoka amin’ny fiompiana sy fambolena intsony izy. Fa tokony handany ny fotoany hampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy sy hanampy ny Fiangonan’ny Tompo hitombo kosa i Joseph.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:7–9; Olomasina, 1:96

I Emma mijery eo amin’ny varavarankely raha iny nandao azy iny i Joseph.

Nanana fanontaniana maro momba izany fiovana izany i Emma. Tsy fantany izay tokony hataony rehefa nanompo ny Tompo i Josefa. Hanampy ny Tompo sy ny Fiangonany ihany koa ve izy?

Olomasina, 1:96

I Emma sy i Joseph mitsiky.

Niresaka tamin’i Emma tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena an’i Joseph ny Tompo. Nantsoiny hoe “Emma Smith zanako vavy” izy. Nolazainy tamin’i Emma fa nifidy azy Izy ary niantso azy hanao ny asany. Vehivavy niavaka izy ary nanana zavatra lehibe mba hataony ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1–3

I Emma nizara ny filazantsara.

Nangataka an’i Emma ny Tompo mba handeha hiaraka amin’i Joseph. Nilaza ny Tompo fa i Emma dia hanazava ny soratra masina sy hampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nilaza tamin’i Emma Izy mba hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainany sy hitandrina ny fanekempihavanany. Nampanantena an’i Emma Izy fa hanana ny Fanahiny. Tiany hianatra sy hivoatra ary handray ireo fitahiana avy Aminy izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:2, 6–10, 15

I Emma nitarika hira nandritra ny fivoriam-piangonana.

Nilaza tamin’i Emma ihany koa ny Tompo fa tiany ny mandre ny zanany mihira. Nilaza Izy fa ireo hiran’ny Olomasiny dia toy ny vavaka ho Azy. Nangataka an’i Emma Izy mba hanao boky fihirana izay azon’ny Olomasina iarahana mihira. Nahita hira mahafinaritra maro momba ny Tompo sy ny filazantsarany i Emma ary napetrany tao amin’ny fihirana iray izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12; Olomasina, 1:221–22

I Emma sy i Joseph nanofahofa tanana an’ireo mpiara-monina.

Tsy nitsahatra niova hatrany ny fiainan’i Emma sy i Joseph, saingy fantatr’i Emma fa tia azy ny Tompo ary nanana tanjona ho azy Izy. Nanompo ny Tompo sy ny olona nanodidina azy izy. Nanampy tamin’ny fampitombona ny Fiangonan’i Jesoa izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13–15; Olomasina, 1:221–23