Tantara ao amin’ny soratra masina
Nianatra momba ny lanitra i Joseph sy i Sidney


“Mianatra momba ny lanitra i Joseph sy i Sidney”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Mianatra momba ny lanitra i Joseph sy i Sidney”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Febroary 1832

Nianatra momba ny lanitra i Joseph sy i Sidney

Fahitana iray momba ireo fitahian’ Andriamanitra ho an’ireo zanany

I Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mamaky sy miresaka momba ny Baiboly.

Indray andro i Joseph Smith sy i Sydney Rigdon dia namaky Baiboly. Namaky mikasika ny zavatra mitranga amin’ny olona rehefa maty izy ireo. Nieritreritra ny zavatra novakian’izy ireo i Joseph sy i Sidney ary naniry ny hianatra misimisy kokoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–18

Nahita fahitana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy voahodidin’ny anjely i Joseph sy i Sidney.

Nanome azy ireo fahitana mahatalanjona ny Tompo. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy voahodidin’ny anjely izy ireo. Ary nandre feo iray izy ireo nilaza fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra. Nilaza ilay feo fa maty ho antsika i Jesoa ary avy eo dia nitsangana tamin’ny maty—velona indray Izy. Satria nitsangana tamin’ny maty Izy dia hitsangana amin’ny maty koa isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24, 39–43

Nahita fahitana momba ny fanjakana telestialy i Joseph  sy i Sidney.

Nianatra i Joseph sy i Sidney fa aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty dia hiaina any amin’ny iray amin’ireo toerana telo any an-danitra izay antsoina hoe fanjakana isika. Ireo olona izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia handeha any amin’ny fanjakana telestialy. Nampitahain’ny Tompo tamin’ny fahazavan’ireo kintana io fanjakana io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–86

Nahita fahitana momba ny fanjakana terestrialy i Joseph  sy i Sidney.

Nianatra momba ny fanjakana iray antsoina hoe fanjakana terestrialy ihany koa i Joseph sy i Sidney. Io fanjakana io dia natao ho an’ireo olona izay miaina fiainana tsara saingy tsy mankatò tanteraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy matanjaka amin’ny finoana Azy izy ireo. Nampitahain’ny Tompo tamin’ny fahazavan’ny volana io fanjakana io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–80

Nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy i Joseph sy i Sidney.

Ny fanjakana selestialy no fanjakana ambony indrindra amin’izany. Nanao fanekempihavanana na fampanantenana tamin’ Andriamanitra ny olona tao amin’io fanjakana io ary nitandrina ny fanekempihavanany. Nibebaka sy nanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo. Miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa mandrakizay izy ireo ary tonga tahaka Azy Ireo. Nampitahain’ny Tompo tamin’ny fahazavan’ny masoandro io fanjakana io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70

Manoratra momba ilay fahitana i Sidney.

Nilaza tamin’i Joseph sy i Sidney ny Tompo mba tsy hizara ny zavatra rehetra hitany tao amin’ny fahitan’izy ireo. Saingy tiany izy ireo hanoratra momba ny sasany amin’izany ary hizara izany amin’ny hafa. Maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no faly nitantara tamin’ny olona momba ilay fahitana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:113–119; Les saints, 1:149–50

Olona mamaky ny tantaran’ilay fahitana.

Misy olona sasany tsy mankasitraka ilay fahitana. Tsy nitovy tamin’ny zavatra ninoan’izy ireo izany. Saingy ny ankamaroan’ireo Olomasina dia feno fankasitrahana noho ny fahafantarana momba io fanambarana io. Naneho tamin’izy ireo izany fa tia ny zanany ny Ray any An-danitra ary nanao fomba iray hiverenan’izy ireo any Aminy.

Les saints,1:149–50