“Fitoriana natao tany amin’ireo Indiana Amerikana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)
“Fitoriana natao tany amin’ireo Indiana Amerikana”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Ôktôbra 1830–Janoary 1831
Fitoriana natao tany amin’ireo Indiana Amerikana
Nandre ny filazantsara ireo Indiana tao Delaware
Fotoana fohy taorian’ny batisan’i Parley Pratt dia niantso azy hiaraka amin’i Oliver Cowdery sy ny hafa hanao asa fitoriana ny Tompo. Tiany hitory ny filazantsara amin’ny Indiana Amerikana izy ireo. Nanao dia nandritra ny herinandro maro tao anatin’ny orampanala lalina ireo misiônera. Nony farany dia nihaona tamin’i Kikthawenund, lohan’ny Indiana tao Delaware izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:14; 30:5–6; 32; Olomasina, 1:98, 115
Tsara fanahy tamin’ireo misiônera ilay lohan’ny Indiana. Nanasa ireo namany izy mba hihaino ny hafatr’izy ireo. Nilaza i Oliver fa nanao dia lavitra izy sy i Parley mba hitondra azy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Mitantara mikasika ny vahoaka izay niaina taloha ela be tany Amerika izany. Tian’ Andriamanitra hizara ilay boky izy ireo mba hahafahan’ny rehetra mahafantatra momba an’i Jesoa Kristy.
Olomasina, 1:115–16
Nanome tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna an’i Kikthwenund i Oliver. Feno fankasitrahana izy fa tonga avy lavitra toy izao i Oliver sy ireo namany mba hizara izany amin’ny vahoakany. Nilaza tamin’i Oliver sy i Parley izy fa tiany hiverina hamaky aminy ireo izy ireo ary hampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna.
Olomasina, 1:116–17