Tantara ao amin’ny soratra masina
I Lucy Morley sy ny fianakaviany


“I Lucy Morley sy ny fianakaviany”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“I Lucy Morley sy ny fianakaviany”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Nôvambra 1830

I Lucy Morley sy ny fianakaviany

Maro no nino sy natao batisa

I Lucy Morley nanasa misiônera telo tao amin’ny tranon’i Abigail Daniels.

Indray andro, i Lucy Morley izay 15 taona dia nanampy ny mpifanolobodirindrina taminy, i Abigail Daniels, nanenona lamba. Teo am-piasana izy ireo dia nahare olona nandondona teo am-baravarana. Misiônera telo izany. Nanasa azy ireo hiditra i Abigaila. Nilaza izy ireo fa naniraka azy ireo hizara hafatra iray i Jesoa Kristy.

Olomasina, 1:102–3

Ireo misiônera nampianatra an’i Lucy sy Abigail momba ny Bokin’i Môrmôna.

Nilaza tamin’i Abigail sy i Lucy ireo lehilahy fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany i Jesoa. Nilaza tamin’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna ihany koa izy ireo.

Olomasina, 1:103

I Abigail milaza ireo misiônera hivoaka ny tranony.

Tsy nampoizin’i Lucy fa tezitra i Abigail. Nasainy hivoaka ny tranony ireo misiônera.

Olomasina, 1:103

I Lucy nangataka ireo misiônera hamangy ny fianakaviany.

Fantatr’i Lucy fa mpanompon’ Andriamanitra ireo misiônera ireo. Nasainy nitsidika ny fianakaviany tsy lavitra teo izy ireo. “Eo amin’ny iray kilometatra sy tapany miala eto no mipetraka ny raiko,” hoy izy. “Mandehana any fa hotohanana ara-tsakafo sy hokarakaraina ianareo.”

Olomasina, 1:103–4

Ireo misiônera miara-misakafo amin’i Lucy sy ny fianakaviany.

Marina ny tenin’i Lucy. Nisakafo tsara tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny fianakaviana Morley ireo misiônera. Naman’i Sidney Rigdon ny ray aman-drenin’i Lucy. Nino izy ireo fa tian’i Jesoa hizara ny zavatra rehetra nananany tamin’ny hafa izy ireo. Nanasa ireo misiônera izy ireo mba hampianatra azy ireo sy ireo namany.

Olomasina, 1:104

I Lucy sy i Abigail ary ireo hafa natao batisa.

Tamin’io alina io, teo amin’ny misasaka alina teo, dia olona 17 no natao batisa. Tao anatin’ny andro vitsivitsy manaraka dia olona 50 fanampiny no tonga tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen-dry Morley mba hihaino ireo misiônera, ary nangataka ny hatao batisa izy ireo. Na i Abigail Daniels naman’i Lucy aza niova hevitra momba ireo misiônera. Nanapa-kevitra ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy sy ny vadiny.

Olomasina, 1:105; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:25, 37