Tantara ao amin’ny soratra masina
I Mary sy i Caroline Rollins


“I Mary sy i Caroline Rollins”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“I Mary sy Caroline Rollins”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Nôvambra 1830–jolay 1831

I Mary sy i Caroline Rollins

Fitiavana mafy orina ho an’ny soratra masina

I Mary Rollings mihaino an’ireo misiônera miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna.

12 taona i Mary Rollins tamin’ny fotoana nitsidihan’ny misiônera voalohany an’i Kirtland, Ohio. Naheno azy ireo niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna izy. Tamin’izany fotoana izany dia iray ihany ny tahadikan’ilay boky tao Kirtland, ary ny mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana nantsoina hoe Isaac Morley no nanana izany.

I Mary mangataka hindrana ilay Bokin’i Môrmôna.

Nankany an-tranon’i Morley i Mary ary nangataka hijery an’ilay boky. Navelan-dRahalahy Morley hihazona izany izy. Nanontany i Mary raha afaka mitondra izany any an-trano.

Nitalaho i Maria mba hindrana ny Bokin’i Môrmôna.

Tsy te hanome an’i Mary ny tahadikan’ilay boky ny Rahalahy Morley. Tsy mbola namaky firy tamin’izany izy. Nitalaho tamin-drahalahy Morley i Mary mba hamela azy hindrana izany.

I Mary mamaky ny Bokin’i Môrmôna.

Nanaiky ny Rahalahy Morley. Nilaza izy fa afaka mitondra ilay boky hody any an-trano i Maria raha toa ka entiny miverina vao maraina ny ampitson’io izany. Nokarakarain’i Maria ho toy ny harena sarobidy izany. Namaky izy ny alina manontolo fa tsy natory.

I Mary mamerina an’ilay boky tany amin’i Isaac Morley.

Rehefa naverin’i Mary ilay boky dia gaga Rahalahy Morley tamin’ny habetsaky ny zavatra voavakiny. “Anaka”, hoy izy, “ento mody ity boky ity ary vitao ny famakiana azy. “Afaka miandry aho.”

I Mary mihaona amin’i Joseph Smith.

I Mary no olona voalohany tao Kirtland namaky ny Bokin’i Môrmôna hatramin’ny farany. Fotoana fohy taorian’ny nahavitany izany dia nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy. Rehefa fantany ny halehiben’ny fitiavan’i Mary ny Bokin’i Môrmôna dia nilaza izy fa afaka tazonin’i Mary ilay an-dRahalahy Morley. Homeny iray hafa Rahalahy Morley.

I Maria mijery ny Bokin’ireo Didy izay natao printy.

Taty aoriana tamin’io taona io dia nifindra tany Independence, Missouri i Mary sy ny fianakaviany. Tena faly izy nijery rehefa nanomboka niara-nametraka boky vaovao antsoina hoe Bokin’ireo Didy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Hisy ny maro amin’ireo fanambarana nomen’i Jesoa Kristy an’i Joseph Smith io boky io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67; 70:1–4; Les saints, 1:178

Lehilahy tezitra mandrava ny milina fanontana printy.

Saingy tsy tia ny Fiangonana ny olona sasany tao Independence. Naniry ny handehanan’ireo Olomasina ireo olona ireo. Indray andro dia nisy lehilahy maro niditra an-keriny tao amin’ilay trano izay nanontana ny Bokin’ireo Didy. Natsipin’izy ireo teo amin’ny varavarankely ilay milina fanontana printy ary naparitak’izy ireo tamin’ny lalana ireo pejin’ny Bokin’i Môrmôna.

Les saints, 1:177–78

I Maria sy i Caroline miafina ao ambadiky ny fefy.

Nijery avy tao ambadiky ny fefy i Maria sy i Caroline rahavaviny. Niteny tamin’i Caroline i Mary fa tiany alaina ireo pejy dieny tsy mbola potika izany. Natahotra ireo lehilahy tezitra i Caroline. “Hovonoin’izy ireo isika”, hoy izy. Saingy fantatr’i Mary sy i Caroline fa ireo pejy ireo dia misy ny tenin’ Andriamanitra.

Les saints, 1:178

Mihazakazaka mitsoaka i Maria sy i Caroline.

Niandry ireo mpirahavavy mandra-pahatonga ireo lehilahy tsy hijery. Avy eo dia nihazakazaka teny an-dalana izy ireo ary nandroaka pejy maro araka izay tratrany. Raha iny izy ireo teo am-panangonana maika iny dia nisy lehilahy sasantsasany nahita azy ireo ary nivazavaza azy ireo mba hanajanona izany. Notazonin’i Mary sy i Caroline mafy ireo pejy ka nihazakazaka mafy arak’izay tratrany izy ireo niditra tao antanin-katsaka.

Les saints1:178–79

I Maria sy i Caroline miafina ao anaty tanin-katsaka.

Nisy lehilahy roa nanenjika ireo mpirahavavy ireo tao anaty tanin-katsaska. Tena lava be ilay katsaka, tsy hitan’i Maria sy i Caroline izay toerana halehan’izy ireo. Nihohoka tamin’ny tany izy ireo ary nafeniny tao ambanin’ny vatan’izy ireo ireo pejy. Nihaino tsara izy ireo rehefa nandeha namakivaky ny katsaka nitady azy ireo ireo lehilahy roa ireo.

Les saints, 1:179

I Mary sy i Caroline mihaino ny an’i Joseph Smith.

Vetivety dia niala maina ireo lehilahy. Nieren-doza i Mary sy i Caroline! Namonjy ireo pejy misy ny fanambaran’ny Tompo ho an’ny Bokin’ireo Didy izy ireo. Ankehitriny ireo fanambarana ireo dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Les saints, 1:179