Tantara ao amin’ny soratra masina
Fanorenana ny Tempolin’i Kirtland


“Fanorenana ny Tempolin’i Kirtland”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (2024)

“Manorina ny Tempolin’i Kirtland”, Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Desambra 1832–martsa 1836

Fanorenana ny Tempolin’i Kirtland

Trano natao manokana ho an’ny Tompo

I Joseph sy i Emma Smith sy i Phebe ary i Sidney Rigdon mijery ny toerana hanorenana ny Tempolin’i Kirtland.

Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa tonga ny fotoana hanorenan’ny Olomasina trano manokana ao Kirtland. Ity trano ity dia ho tempoly, toerana izay hamangian’ny Tompo ny vahoakany ary hanaovany fampanantenana amin’izy ireo. Hanome fanomezana manokana ho azy ireo Izy ao amin’ny tempoliny. Nantsoiny hoe ny fanomezana hery izany fanomezana izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119; 95:8; Les saints, 1:205

Handeha hanampy amin’ny asa ao amin’ny tempoly i Hyrum Smith.

Tsy nanomboka nanangana ny tempoly avy hatrany ireo Olomasina. Volana vitsy taty aoriana dia nampahatsiahy azy ireo ny Tompo fa tena zava-dehibe ny tempoly. Nihazakazaka nankany an-tranon’ny ray aman-dreniny i Hyrum Smith mba hanangona fitaovana. Rehefa nanontany azy ny reniny hoe aiza no halehany dia nilaza izy fa te ho ilay voalohany hiasa ao amin’ny tranon’ny Tompo izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–8

I Sidney Rigdon, mijery ny tempoly eo an-dalam-panorenana.

Nanomboka nanangana ny tempoly ireo Olomasina tao Kirtland. Nandany vola be izany ary nitaky asa betsaka. Ny mpikamban’ny Fiangonana toa an’i Sidney Rigdon dia nanome vola betsaka hanorenana ny tempoly. Nientanentana izy ireo ny hanaraka ny didin’ny Tompo sy handray ireo fitahiana avy Aminy ao an-tranony.

Les saints1:209–211

I Sidney mivavaka mba hangataka fanampiana mikasika ny tempoly.

Rehefa nanorina ny tempoly ny Olomasina dia nanomboka lany vola izy ireo. Niahiahy i Sidney sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Nivavaka i Sidney mba hahazo fanampiana avy tamin’ Andriamanitra.

Les saints1:210–11

Tonga hanampy i Caroline Tippets.

Nanangona volabe ny mpikamban’ny Fiangonana iray antsoina hoe Caroline Tippets ary ny fianakaviany. Nampindramin’i Caroline an’ny Fiangonana ny volan’izy ireo mba hanampiana amin’ny fananganana ny tempoly.

Les saints1:211–13

Ankizy manampy amin’ny fanangonana ireo potika vera.

Olomasina maro tao Kirtland no niasa mafy mba hananganana ny tempoly. Ny sasany dia nitondra sarety feno vato nankany amin’ny tempoly. Ny hafa kosa dia nanao akanjo sy sakafo ho an’ireo mpiasa. Nanangona potika vakim-pitaratra ireo ankizy mba ho totototoina sy apetaka eo amin’ny rindrin’ny tempoly mba hanjelatra sy hamiratra ao rehefa tarafin’ny masoandro izany.

Les saints, 1:210, 219, 221

Vita ny Tempolin’i Kirtland

Vetivety dia vita ny tempoly! Nientanentana ny Olomasina ny hiditra ao amin’ny tranon’ny Tompo mba handray ireo fitahiana nampanantenainy azy ireo.

Les saints1:122